Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 02h33
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy kivy fa ketraka

lundi 15 septembre 2008 | Naivo kely

Faly sahirana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny. Miandry ny vokatra fanindroany ataon’ny fanjakana momba ny fitsarana fanadinana kilasy famaranana farany teo. Faly ny mpianatra sy ny ray aman-dreny, satria ireo very fanantenana tany aloha, mbola manantena ny ho afaka amin’ity farany ity. Sahiran-tsaina ihany koa anefa satria tsy afaka ny hikarakaraka ny fidirana antsekoly, raha tsy mivaly ny fitsarana andiany faha-roa.

Ny ministry ny fanabeazam-pirenena dia efa nitondra ny heviny manoloana ity famerenana ny fitsarana fanadinana ity. Vokatry ny fitarainan’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra hoy ny tenany ? Ray aman-dreny iza ireo, ary mpianatra firy no nitaraina ? Raha toa ve ka misy mitaraina toy izao hatrany isaky ny misy valim-panadinana mivoaka, moa ve tsy maintsy averina hatrany ity fitsarana fanadinana ity ? Ho hentitra ny fanjakana amin’izay mety nihavian’ny fahalatsahan’ny naoty hoy ramatoa Ralambomanana Stageline teny Iavoloha. Moa ve ahafaka ny ahiahin’ny maro ny filazana izany ? Tsapa hatreto, fa arakaraky ny fihezahantsika hiala amin’ny tsy fahombiazana no hipoiran’’ny karazana fahalemena eo amin’ny fomba fiasa isan-karazany. Tsy kivy fa ketraka ny maro mandre fa fitaovana harifomba no nampiasaina nitsarana fanadinana nefa izao no vokatra notazana. Amin’ny manaraka no tandremana e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS