Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 17h01
 

Teny zato, kabary arivo

Omaly tsy miova

mardi 30 septembre 2008 | Naivo kely

Ny mpiasa no antoky ny fampandrosoana. Miainga ao avokoa ny masinina mampihodina ny toe-karena rehetra. Tsy ho gaga isika raha mikatso tanteraka ny fiainam-bahoaka raha vao mitokona itony mpiasa itony, na io avy ao amin’ny fanjakana, na ihany koa avy amin’ny tsy miankina. Ny mpitondra izay mifandimby, dia atidoha fotsiny ihany amin’ireo tetika isan-karazany ampiasaina hanatsara ny fiainam-bahoaka. Ny mampalahelo anefa hatramin’izao, dia zary lasa faralahin’olona hatrany ny mpiasa, raha tsy hiteny afa-tsy ny mpiasam-panjakana. Maro ny fampanantenana natao azy ireo, saingy indrisy fa ny omaly tsy miova ihany no hita. Novaina ny fotoam-pidiran’ny mpiasa, ary nambara fa hiainga any amin’ny fijerena ny maha-olona ny tetika rehetra. Miandry isika, fa ny tsapa aloha, dia miha-fadiranovana ireny mpiasa ireny. Porofon’io ny fahitàna, fa telo andro monja aorian’ny fandraisana karama, dia efa mitrosa ry zalahy sy ry zavavy. Misy kosa anefa ireo tafavoaka vetivety, ka tao anatin’ny fotoana fohy dia tafarina ny fiainany. Tsy ny resaka fahaizana no nahatonga izany, fa eo ny lafiny politika. Koa raha tena vonona hanatsara ny fiainam-pirenena isika, dia aza asiana tombo sy hala ny fanatsarana ny ho avin’ny mpiasa malagasy. Raha mbola mitoetra io, dia aza gaga isika raha ho toy izao ny hiafaran’ny fiainam-bahoaka eto Madagasikara.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS