Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 06h08
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy ampy serasera

mercredi 10 septembre 2008 | Naivo kely

Mateza roritina toy ny hena ambavan’antitra ny dotandroka eo amin’ny kaominina sy ny fanjakana. Isaky ny miposaka ny masoandro, dia mifanontany tena ny rehetra, hoe inona indray no hiseho ?

Tsy hidirana lalina eto androany ny karazana toreo ataon’ny eo anivon’ny kaominina, fa ny azo ambara, dia aleo hiseho fanta-bahoaka ny andraikitra sahanin’ny kaominina. Tsy ampy ny serasera miampita any amin’ny vahoaka, ka mifangaro voroka be ihany ny fomba fahitan’ny maro ity raharaha ity. Samy manamafy ny andaniny sy ny ankilany fa resaka teknika io, ka mila vahana amin’ny resaka teknika. Rehefa mitranga anefa ny disadisa, dia avadika ho resaka politika indray, ka ny fampiasana ny andinin-dalàna maro samy hafa no hifaninanana. Maha-menatra ity fifandonana ara-kevitra isan’andro eto ity. Malagasy heverina fa mahay mifandamina no indro fa mifampihantsy isan’andro vaky izao. Dieny mbola tsy mitatra zavatra hafa ny raharaha, dia tokony hipetraka ny fahaizana mihaino, sy mampita hevitra. Alavirina ny fifampihantsiana. Aoka ihany koa tsy ho atao tompon-trano mihono ny vahoaka, fa rehefa madio ny resaka, dia mizotra milamina ny asa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS