Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 10h42
 

Teny zato, kabary arivo

Dina ifampifehezana

mercredi 1er octobre 2008 | Naivo kely

Maharikoriko ny fomba famonoana olona ankehitriny eto Madagasikara. Mihoron-koditra ny vahoaka. Mieboebo ny mpanao ratsy, satria maro amin’izy ireo no mbola tsy tratra amin’izao fotoana izao.

Manao izay ho afany ny mpitandro filaminana, saingy ireny mbola iarahana mahita ireny ny zava-misy. Manana akony ratsy any ivelany izany, ka mety hampihemotra ireo mpizaha tany tokony hiditra eto. Mamy ny miaina hoy ny maro ka aleo mailo. Tsy ho vitan’ny mpitandro ny filaminana irery anefa izany, fa mila fandraisan’ny be sy ny maro andraikitra haingana. Eo ny tokony hametrahana ny andrimasom-pokonolona. Isaky ny fokontany io, ary hiarahana miasa amin’ny mpitandro filaminana. Ireo olona ahiahiana, tokony hisy fanaraha-maso ny momba azy, fa tsy sanatria atao tondro-molotra fotsiny, ka hiteraka korontana eo anivon’ny mpiara-belona. Apetraka ny dina ifampifehezana hahamora ny fiarovana ny fandriampahalemana eo an-tanana. Tsaroan’ny maro ny raharaha 2002. Inona no ratsy tsy resin’ireny fiaraha-mientan’ny vahoaka ireny ? Nipetraka tetsy sy teroa ny andrimasom-pokonolona, ka na atody iray aza tsy nisy sahy nikitika noho io fatahorana ny fiaraha-mientan’ny daholo be io. Inona no maha-ratsy ny famerenana ny firaisankina toy ireny, mba hitsimbinana ny ain’ny vahoaka isaky ny fokontany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS