Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 15h10
 

Teny zato, kabary arivo

Tantara mitohy

jeudi 25 septembre 2008 | Naivo kely

Misokitra biby an-davaka. Io no niantsoan’ny maro ilay fisavana indray ny trano fiasan’ingahy Roland Ratsiraka. Ben’ny tananan’i Toamasina teo aloha izay nahiditra am-ponja noho ny resa-bola tsy mazava teo amin’ny kaominina notantanany.

Taorian’ny nivoahany ny fonja, dia niniha nangina ny tenany. Ireo anto mpiara-diha aminy kosa, dia mbola heno tetsy sy teroa ihany ny fanehoan-kevitra nataony. Nahasorena ny mpanara-baovao maro ihany ny nandre ny fihetsiky ny fanjakana nanao iny fisavana iny. Fa angaha mikasa hanogam-panjakana ity lehilahy efa nifitsaka ity, no dia natao toy ireny ny fisavana ? Toa lasa hatrany ny saina hilaza hoe, sao mba nisy nanome vaovao tsy marim-potondra indray tany, ka tafalatsaka amin’ny vovo toy izao ny fanjakana, hoy ny mpandalo ? Tantara mitohy ity, ary dia nanaitra ny torimason’ny mpanao politika maro ny tranga iray iny, satria mety hiitatra any amin’izy ireo ny fisavana toy izao. Iza indray no manaraka ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS