Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 16h35
 

Teny zato, kabary arivo

Do-tandroka

samedi 13 septembre 2008 | Naivo kely

Tsy hisy fanjakana hanome bala hitifirana ny tenany. Dia mandeha ny resabe. Ny mangina amin’izao tsy mety, ka dia alefa avokoa ny do-tandroka hisehoana eo imason’ny mponina fa vonona ny hitarika ny vahoaka tsy hanaiky ny tsy rariny ny mpanohitra. Tsara rehefa tsy manaiky lembenana, ary dia nitazana izay ho fihetsiky ireo mpanohitra ny vahoaka. Tsapa anefa fa manjaka ao amin’ireto mpanohitra ireto ny hakanosana. Ny antony dia mety ho ny tahotra ny tsy ahazaka olona na ny fisamborana miafara amin’ny fanagadrana.

Ny sabotsy lasa teo, dia tsy nahazo alàlana hampiasa ny Kianja mitafon’i Mahamasina ireto mpanohitra ireto. Nomen’ny teo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra hamory vahoaka ao ambadiky ny Kianja mitafo ry zareo, saingy nilaza indray fa mbola tsy vonona ? Notohizana ihany anefa ny fangatahana alàlana hamory vahoaka, ary tsy nanome alàlana indray ny Préfet de Police eto an-drenivohitra. Niaka-peo ireto mpanohitra miara-dia ireto ny alakamisy teo, fa tsy maintsy hamory vahoaka omaly maraina. Niala maina ireo olona nanaovana antso avo, satria dia ny filazana fa hanaja ny ara-dalàna no natao, ary mbola hangataka alàlana amin’ny manaraka indray. Moa mba fantatry ny mpanohitra fa tsy hanome alàlana olona hanongana azy mihitsy ny fanjakana ? Tsy fampirisihana ny mpanohitra hanao amboletra io, fa aoka tsy do-tandroka no atao betsaka fa fantatry ny vahoaka foana ny tena mpitolona sy ny fisehoana ivelany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS