Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 01h25
 

Teny zato, kabary arivo

Lasa jono i Andry TGV

jeudi 11 septembre 2008 | Naivo kely

Rehefa tsy Antananarivo no mihetsika, zava-poana izay kasaina atao. Tsy ho gaga amin’izany isika, satria Antananarivo no Renivohitry Madagasikara. Mitranga ny olana eo amin’ny fanjakana sy ny kaominina eto an-drenivohitra. Samy naneho ny heviny ny mpanohana ny andaniny sy ny ankilany, ary farany teo dia ingahy ben’ny tanàna, Andry Rajoelina mihitsy no nampiakam-peo.

Tsy hiverenana ny amin’iny, fa tsapa kosa dia ny fidiran’ny hery politika isan-karazany amin’ity resaka ity. Tsy azo atao ambanin-javatra izany, saingy ny mampalahelo, dia ataon’ny mpanao politika ho fitaovana handrombaham-pahefana indray ny Tanànan’Antananarivo. Lasa to ne fitaovana hanjonoana ny fon’ny mponina eto ny raharaha, ka maro ny mpanohitra milaza fa tsy azo ekena intsony izao mitranga izao, ary dia tarihina hidina an-dàlambe ny vahoaka. Io fikitihina ny fahefan’i Andry, ben’ny tanàna, io no hitan’ny hafa ho làlana hidirana hanentanana ny vahoaka hikomy amin’izao fitondrana izao. Hita io amin’ny fanehoan-kevitra nataon’ny mpanohitra maro tamin’ny mpanao gazety nandritra ity herinandro ity. Ho voajonon’ireto mpanohitra ireto amin’izany ve ny vahoaka eto Iarivo ? Raha tratry ny olana toy izao ny tany Toamasina sy ny tao Fianarantsoa, tsy dia mba hita naneho hevitra firy ny Mpanohitra miara-dia sy ny CRN ary ny hafa. Ankehitriny anefa, toa laroina karibonetra ny raharaha, mba hampalemy ny sain’ny mponina eto. Ho hita eo ny tohiny, fa asakasaky izay mety ho ataon’ny olona kankana, mba hampahomby ny tetika hataony. Ankilan’izay, mba hahay hiaino sy vonona hifampidinika handaminana izao olana izao ve ny fanjakana, sa hinia hangina amin’izay fanampahan-kevitra efa noraisiny ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS