Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 18h57
 

Teny zato, kabary arivo

Sasanangy mitovy

vendredi 12 septembre 2008 | Naivo kely

Afaka ny gadrako. Io no sento tokana tao an-tsain’ingahy Henri Lecacheur, saingy mbola misy sazy mihantona telo volona lolohaviny taorian’iny didy nivoaka iny. Malalaka amin’ny fanehoany ny didy avoakany ny fitsarana, ary tsy hisy afaka hanelingelina azy amin’izany.

Lasa ihany anefa ny saina nahita iny fanapahan-kevitra nivoaka iny. Fanohitohina ny filaminana anatiny sy fitarihana vahoaka andalam-be tsy nahazoana alalana no vesatra niampangana azy. mItovy tsy nisy valaka tamin’ny nahazoan’ingahy Victor Wong filohan’ny OFPACPA taona maro lasa izay teo amin’io kianjan’ny 13 Mai io ihany. Nihina am-ponja nandritra ny telo taona ny tenany tamin’izay.

Sasanangy mitovy ireo, hoy ny mpitazana,nefa iny no vokatry ny fitsarana. Madio amin’ny didy avoakanay izahay hoy ny fitsarana. Lasa ny saina hoe ny mpisolo vava azy roalahy voatonona etsy ambony ireo ve no samy nanana ny fahaizany manokana, sa efa nilaozan’ny toetrandro ny famonjana mpitarika vahoaka andalam-be toy ny nataon’ingahy Henri Lecacheur ? Tsy ho diso ny fomba fijerin’ny vahoaka hafa hilaza hoe sao mba misy sinema indray ao ambadika ao ? Ny fonja anefa tsy filalao, koa arahabaina ny mpitolona tafavoaka ny fonja tao anatin’ny fotoana fohy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS