Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 01h28
 

Teny zato, kabary arivo

Omeo fialamboly ny vahoaka

mercredi 11 juin 2008 | Naivo kely

Kivy ny ankamaroan’ny mpitia baolina kitra raha nandre fa ampahan-dalao valo no azontsika arahina eto Madagasikara eo amin’ny lalao baolina kitra hiadiana ny amboaran’ny Eoropa. Lalao izay heverina fa hifantohan’ny sain’ny betsaka izy io, ary fialamboly sy fakana lesona ho antsika. Indrisy anefa fa toa lasa anjorom-bala ihany ny fahazoana mivantana ity lalao ity, ka ireo manan-katao afaka manaraka amin’ny « Parabole » sy « Canalsat » ihany no mahazo fahafinaretana.

Toa miverina tampoka ao antsain’ny maro ilay tenin’ny mpitondra fanjakana ambony fa tsy mbola laharam-pahamehana aloha ny fialamboly sy ny fanatanjahantena, raha nampiato ny ministeran’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina ary ny fialamboly izy ireo.

Dia ho sanatria izay ve no tsy nahazoana nifampiraharaha tamin’ny fahitalavitra mandefa mivantana ity lalao ity ? Omeo fialamboly ampy ny vahoaka fa trotraky ny adin-tsaina. Io no làlana iray ahafahana miroso amin’ny fampandrosoana, satria tsy nisy olona nateraka tsy hiala voly eto. Tsy ho gaga isika raha vao mba misy andro iray tsy hiasana eto, ka ahitana vahoaka maro mitomandavana mba manao izay fantany fa mety. Tsy ho latsa-danja amin’izany ity lalao baolina kitra ity, izay ankafizan’ny vahoaka maro maneran-tany, ary tsy latsa-danja amin’izany isika eto Madagasikara.

Fony mbola tao anatin’ny Krizy nilaha-bary aza isika fony andron-dRadidy nahavita nijery baolina avy any ivelany, maika fa amin’izao andro hambara fa miarin-doha izao ny toe-karena ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS