Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 21h23
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • 1er tour de 100%

    mercredi 7 mai 2008 | Naivo kely |  545 visites
    Izay aroso dia lany. Miainga any amin’ny fifidianana manatona ny vahoaka, mipaka hatrany amin’ny mpifidy vaventy, ary mifarana ao an-dapa, dia lany 100% avokoa izay aroson’ny TIM. Mahay mazia ve izy ireo hoy ny mpitazana, sa ny foto-kevitra arosony no tena mambabo ny fon’ny maro ka tsy misy mitsipaka na dia iray aza ? Tsy mbola fahita eran-tany izany hifidy loholona anaty andrim-panjakana izany, dia vokatra 100% no hita. Tsy misy mpifaninana ihany koa ny kandida nifanehatra tamin’ingahy Ivan (...)
  • Sorona ny Renivohitra

    mardi 6 mai 2008 | Naivo kely |  734 visites
    Raikitra ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny sefom-pokontany sy ny ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra. Mikorontana ny sain’ny mpanara-baovao manoloana izany, satria toa tsy misy intsony ny marimaritra iraisana eo amin’ny roa tonta. Efa-bolana izao no voalaza fa tsy nandray tambin-karama intsony ireto sefom-pokontany ireto, ary nangataka fihaonana tamin’ny ben’ny tanàna, Andry Rajoelina ry zareo. Tsy mbola nisy ny fihaonan’ny andaniny sy ny ankilany. Ny mpamendrofendro dia manambara fa ny «Préfet de (...)
  • Hipoitra indray ny lamba maloto

    lundi 5 mai 2008 | Penjy R. |  687 visites
    Rahampitso no hanomboka ny fivorian'ireo andrim-panjakana eto amintsika. Ny antenimieram-pirenena sy ny antenimieran-doholona io. Hifantoka amin'ny fanaovan-dàlana isan-karazany ny fivoriana mandritra ny 60 andro atao eny. Tsy resaka fanaovan-dàlana anefa no tena hifantohan'ny sain'ny maro, fa ny adilahy politika hitranga eny. Raha ny etsy Tsimbazaza, dia hifantohan'ny sain'ny maro manomboka rahampitso ilay resaka mandeha momba ny mety ho fanonganan'ny TIM an'i Sylla amin'ny toerany. Tsy (...)
  • Lany andro manova

    samedi 3 mai 2008 | Naivo kely |  665 visites
    Isaky izay mahatsiahy dia manova. Io no hita ankehitriny, ary tsy hananan-kavana mihitsy fa izay tsy mitovy fomba fijery amin'ny filoha dia barakay avokoa. Izay no nampiavaka ity fitondrana ity tamin'ireo mpitondra nifandimby teto. Na vao manomboka mametraka ny fomba fiasana aza ny ministra na lehiben'ny faritra, dia efa ny fanovàna no tonga mialoha. Sahirana ny rehetra, satria toa lany andro manova eto isika, ka ho tratra aoriana ny tena asa mivaingana andrasana amin'ny mpitondra nomena (...)
  • Asa mahafaty, fa tsy mahavelona

    vendredi 2 mai 2008 | Naivo kely |  796 visites
    Vita iny ny voalohan’ny volana Mey. Nanao izay ho afany ny mpiasa nandritra ny filaharana omaly maraina. Niainga tamin’ireny kabary maro nifandimbiasana ireny ny ventsoventsom-po tany anaty tany. Tsy tora-po kosa aloha no ilazana izany fa fijerena ny tena tombontsoa iraisana eo amin’ny samy mpiasa tsy ankanavaka. Toa mivaona amin’ny tena zava-misy ny hiainan’ny mpiasa Malagasy ankehitriny. Toa asa mahafaty fa tsy mahavelona no eto. Raha ireo fijaliana any amin’ny orinasa afaka haba no jerena dia (...)
  • Lany andro mifanome tsiny

    mercredi 30 avril 2008 | Penjy R. |  619 visites
    Mora ny miteny fa ny manatanteraka azy no sarotra. Azo hitarafana ny trangam-piaraha-monina eto amin-tsika io. Toa tsy mahay maka lesona amin’ny zava-nisy teo aloha fa samy mihambo ho mahavita tena eo amin’ny sehatra tandrify azy. Hiroso amin’ny vaingan’asa nifanomezana ao anatin’ny MAP isika. Vonona ny fanjakana, ary manatsikafona ny mpanohitra. Nahilika naka zoron-trano izay tsy mitovy fomba fijery amin’ny mpitondra sao io no sakana amin’ny asa tsy maintsy atao. Nomena toerana ireo mpiara-dia (...)
  • Very ny kanto Malagasy

    mardi 29 avril 2008 | Naivo kely |  1124 visites
    Vay ankandrina izy ity ka sady maharary no mahamenatra. Miroborobo fatratra ny hira Malagasy, ary saika feno izao karazana mpanan-kanto tsy fantatra rehetra izao ny haino aman-jery maro samihafa. Gaga ny rehetra fa hay manankarena mpanan-kanto tahaka izao ity nosy ity. Tsy ela dia efa any ambavan'ny zaza madinika ny hira navoakan'izy ireny, ary na ilay fihetsika mampidera ny afenina rehetra aza, dia efa hain'ny ankizy sahady. Toa manao tomandavana miakatra manao fampisehoana etsy sy eroa, (...)
  • Mivadika ambony ambany

    lundi 28 avril 2008 | Naivo kely |  812 visites
    Fatra-paka tahaka isika fa tsy mahay manatanteraka. Io no hita raha mikasika ny fiainam-pirenena no jerena. Momba ny fiovan’ny Governemanta sy ireo olom-panjakana napetraka isaky ny faritra izany. Tao anatin’ny fitondrana nentin’ny filoha Ravalomanana izay, dia samy mahatsapa isika rehetra fa toa tsy marim-pototra firy ny toeran’ireny olona napetraka hampandeha ny faritra sy ny andrimpanjakana isan-karazany ireny. Tsaroan’ny rehetra fa nisy ministra iray volana monja tao amin’ny asam-panjakana, (...)
  • Izay mahasoa andramana avokoa

    samedi 26 avril 2008 | Naivo kely |  762 visites
    Rehefa tsy vokin'ny vary dia apemba indray no hanina. Toa nahazo sehatra teo anivon'ny fiaraha-monina indray tao ho ao ny filazana fa azo asolo ny vary ny apemba. Ho foton-tsakafo ho antsika Malagasy mihitsy no tanjona amin'izany. Nandritra ny fiotazana ny apemba novolena teny Iavoloha ny alarobia teo no niampitan'ny hafatra tany antsain'ny vahoaka. Be otrikaina, ary mahavelona izy ity, ary afaka hambolena azy io tsara ny faritra maro eto Madagasikara. Telo volana dia efa mioty. Efa ela no (...)
  • Mazava ny resaka

    vendredi 25 avril 2008 | Penjy R. |  788 visites
    Teny gasy ve miverina indroa? Eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra no tiana ahatongavana eto. Nanome fe-potoana farany indray izany ny FIFA hatramin’ny faran’ny volana izao ahaizan’ny Madagasikara mandinika tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny nandrava ny federasiona Malagasy ny baolina kitra. Mazava ny resaka nataon’ny ministra tompon’andraikitra fa handamina ny raharaha anatiny isika, ary hametraka ireo delegasiona manokana hitantanana ny raharaha ary hampanao fifidianana vaovao izay handrafitra (...)
  • Todiho ny lasa hanatsarana ny ampitso

    jeudi 24 avril 2008 | Naivo kely |  580 visites
    Tsy hisy aharobaka izay eo am-pelatanako. Teny mamy ao anatin'ny soratra masina io, ary andeha hindramina kely momba ny fiainam-pirenena ankehitriny. Feno ny fahefana rehetra ahafahana mamita haingana ireo tetikasa kasain'ny fitondrana atao. Mahalala ny mahasoa ny vahoaka aho, ary tsy hijery afa-tsy ny ahasoa azy. Teny mamy tsara tsy ho adino koa izany. Mbola misy teny mamy ihany koa anefa taona maro lasa izay, raha vao nandray fahefana ny filoha Ravalomanana. Ao anatin'ny enim-bolana dia (...)
  • Ny asa vita no hifampitsarana

    mercredi 23 avril 2008 | Naivo kely |  844 visites
    Resaka an-dàlam-be indray ny anaran'olona mety handravaka ny Governemanta atsy ho atsy. Tombana avokoa ho an'ireo izay mba manana hevitra sy mpanao fanadihadiana politika rehetra izany. Liana ny maro, satria tsy ny olona handray ny fahefana no mahaliana fa ireo voahaisotra amin'ny toerany. Tsy ho takona afenina amin'ny filoham-pirenena anefa ireo tena nahavita ny andraikitra nankinina taminy. Andraikitra izay mifanitsy amin'ny filan'ny firenena, fa tsy sanatria ho amin'ny tombontsoa (...)
  • Tsy mbola tafita ny hafatra

    mardi 22 avril 2008 | Naivo kely |  541 visites
    Hifantoka kely any amin’ny kolontsaina Malagasy ny lahatsoratra anio. Kolontsaina izay mitady ho very noho ny fitobaky ny kolontsaina vahiny be loatra eto amintsika. Zary diso tsara toerana be loatra eto ny haren-tsaina vahiny. Vokatry ny fanatontoloana miha-mahazo vahana eran-tany io. Tsy dia ratsy loatra ny manaraka sy mandinika ny an’ny hafa, fa ny fanariana ny soa-toavina maha-malagasy no mampalahelo. Raha eo amin’ireny hira nataon’ireo zoky raiamandreny tany aloha, toa tsy tazana intsony (...)
  • Hisava ny haizina

    lundi 21 avril 2008 | Naivo kely |  535 visites
    Vita indray aloha iny ny fifidianana izay ho loholona isaky ny faritra. Nanjaka ny antoko matanjaka, ary ho azo antoka fa hiainga avy amin’io ny ho filohan’io andrim-panjakana io. Samy nanana ny fomba fijeriny ny fampielezan-kevitra ny maro, izay nisian’ny fanankianana maro momba ny fanibohana ny mpifidy vaventy amin’ny toerana iray, ary vokisana sakafo sy omena tombontsoa isan-karazany, mba ho azo antoka fa tena tsy hisy hivadika amin’ny ora farany. Midika io fa tsy azo nataon’ireo ben’ny (...)
  • Tsy hisy fahagagana

    samedi 19 avril 2008 | Naivo kely |  511 visites
    Tapitra anio ny fampielezan-kevitra ho an’ireo kandida ho loholon’ny faritra eto Madagasikara. Hiroso amin’ny latsa-bato ny mpifidy vaventy rahampitso alahady. Miandry izay ho loholona vaovao ny rehetra. Tsy dia hisy fahagagana firy, raha ny olona hiakatra etsy amin’ny lapan’Anosikely no jerena. Tsy maintsy ho maro an’isa ao TIM, satria saika olon’izy ireo no handatsa-bato rahampitso. Midika izany fa ny isam-bato sisa isaina. Ny endriky ny filoha hipetraka ao dia efa resabe mandeha ny momba ny (...)
  • Hanova tononkira ve i Rossy ?

    vendredi 18 avril 2008 | Naivo kely |  1659 visites
    Tonga i Rossy, faly ny mpankafy azy. Tsy tonga hamendrofendro fa hitondra aina vao ho an’ny mozika Malagasy. Mpanakanto tsy zoviana amin’ny maro, ary volana maro lasa izay dia nandalo teto an-tanindrazana ny lehilahy rehefa nanambara fa nikaroka teo amin’ny tontolon’ny mozika nandritra ny taona maro tany ivelany. Mpanakanto nanao politika ihany koa ny tenany, nefa dia nanambara fa hatao an-tsisitosy ny politika fa ny zava-kanto no ho trandrahina manomboka izao. Diso hevitra izany aloha hatreto (...)
  • Miandry tendrena

    jeudi 17 avril 2008 | Penjy R. |  599 visites
    Afaka andro vitsy dia hifidy ny mpifidy vaventy. Iray isaky ny faritra no ho fidiana amin'io ary hisy ny ho tendren'ny filoham-pirenena. Ireo mpiara-dia amin'ny fitondrana tsy tafiditra ao anaty lisitra, dia hitafa mifanohana amin'ny TIM. Hita miseho eny rehetra eny izy ireo, satria minia tsy miteny eo, dia tavela rehefa tonga ny fizarana ny mamy. Miandry ho tendrena ho loholona ny ankamaroan'izy ireny, ary izay tsy tafiditra any mba any amin'ny Governemanta indray manarina. Fomba tsy fanao (...)
  • Voavaha ny olana

    mercredi 16 avril 2008 | Naivo kely |  852 visites
    Rehefa mahay mifanakalo hevitra, dia miravona ny olana rehetra. Io no azo hilazana ny fiavian’i Rossy eto an-tanindrazana afaka andro vitsy monja. Taorian’ny resabe nandeha tetsy sy teroa ireny, dia efa samy maneho ny heviny ny filoham-pirenena sy ny ministra mpiahy ny kolontsaina fa tsy manana olana amin’i Rossy izy ireo. Nihazo ny masoivon-tsika ao Frantsa ity mpanakanto ity, ary dia hitodi-doha eto Madagasikara hanatontosa ireo fampisehoana kasainy ho atao rehetra amin’ity taona ity amin’ny (...)
  • Tonga i Dada, mipirina ny ankizy

    mardi 15 avril 2008 | Naivo kely |  1104 visites
    Hentitra i dada nibedy ny zaza maditra rehefa tonga avy niasa avy any ivelany izy. Nipirina niaraka ny vava ny rehetra. Hay rehefa ampitahorina, hoy ny mpitazana mahay mifitsaka ihany. Io no fanehoan-kevitra heno teny rehetra teny, rehefa nahita ny filoha Ravalomanana hentitra amin'ireo minia ny hanakorotana ny tany sy ny firenena. Niaraka ny vava, dia tsy nahitana mpanao politika intsony nilaza hidina teny amin'ny 13 mey. Ny mpitandro ny filaminana ihany koa mba naka aina kely satria (...)
  • Ahiahy tsy ihavanana

    lundi 14 avril 2008 | Naivo kely |  829 visites
    Tsy mifampatoky intsony ny samy Malagasy. Miainga any amin’ny sehatra madinika indrindra ka hatrany amin’ny vaventy. Hita taratra io eo amin’ny mpanao politika mpanohitra na mpitondra fanjakana. Niarahana nahita ireny fisamborana manamboninahitra ireny. Ny zava-misy ao anaty Governemanta, ary misy mihitsy ny feo miparitaka etsy sy eroa fa misy minisitra ho samborina ato ho ato? Ny samy mpitondra izany, dia efa tsy mipetraka intsony ny tena fifampitokisana satria ny ahiahy tsy hiavanana. Toraky (...)

0 | ... | 120 | 140 | 160 | 180 | 200 | 220 | 240 | 260 | 280 | ... | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS