Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Hanova tononkira ve i Rossy ?

vendredi 18 avril 2008 |  1660 visites  | Naivo kely

Tonga i Rossy, faly ny mpankafy azy. Tsy tonga hamendrofendro fa hitondra aina vao ho an’ny mozika Malagasy. Mpanakanto tsy zoviana amin’ny maro, ary volana maro lasa izay dia nandalo teto an-tanindrazana ny lehilahy rehefa nanambara fa nikaroka teo amin’ny tontolon’ny mozika nandritra ny taona maro tany ivelany.

Mpanakanto nanao politika ihany koa ny tenany, nefa dia nanambara fa hatao an-tsisitosy ny politika fa ny zava-kanto no ho trandrahina manomboka izao. Diso hevitra izany aloha hatreto ny mpanao politika, izay nihevitra fa ho atao fitaovana amin’ny lafiny maro i Rossy. Lehilahy tsy mitsitsy eo amin’ny tononkira ary samy nahazo ny anjarany avokoa ny mpitondra izay tsy mifanitsy amin’ny fomba fijeriny. Tsaroan’ny maro ilay hira mitondra ny lohateny hoe « Lera », izay làlana iray nampiongana an’i Zafy Albert tamin’ny toerany rehefa niverina an-tanindrazana ny amiraly Ratsiraka.

Nahazo ny anjarany ihany koa ny filoha ankehitriny izay voateny ho mpivarotra ronono, ary tsy zoviana amin’ny rehetra ilay hira hoe ny « anjely mainty no azon’ialahy lokoina, fa ny tarika Rossy tsy azon’ialahy vonoina ». Taona 2008 isika izao, hanova ireo tonon-kira ireo ve i Rossy sa ahoana ? Maro ihany ireo tononkira mifono hafatra maharary izay sendra azy. Ny azo antoka dia vonona hifanome tànana amin’ny fanjakana ity mpanakanto malaza ity, satria olona tia fivoarana i Rossy.

Miandry ny rehetra raha hisy fihaonana eo amin’ny filoha Ravalomanana sy ity mpihira ity, satria fampandrosoana iraisana no apetraka fa tsy famotehina. Andrasana ny tohiny, ary miandry ny fampisehoana ny rehetra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS