Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

1er tour de 100%

mercredi 7 mai 2008 |  545 visites  | Naivo kely

Izay aroso dia lany. Miainga any amin’ny fifidianana manatona ny vahoaka, mipaka hatrany amin’ny mpifidy vaventy, ary mifarana ao an-dapa, dia lany 100% avokoa izay aroson’ny TIM. Mahay mazia ve izy ireo hoy ny mpitazana, sa ny foto-kevitra arosony no tena mambabo ny fon’ny maro ka tsy misy
mitsipaka na dia iray aza ?

Tsy mbola fahita eran-tany izany hifidy loholona anaty andrim-panjakana izany, dia vokatra 100% no hita. Tsy misy mpifaninana ihany koa ny kandida nifanehatra tamin’ingahy Ivan Andriasandratriniony fa dia nanara-drenirano avokoa ny iray trano. Asa na noho ny tahotry ny ho voahilika anaty fitondrana na ahoana fa dia io aloha no hita eto amintsika. Tsy azo adika ho tena demokratika anefa ny toa izao ho an’ny
mpitazana. Voahilika tamin’ny seza nitoerany izany aloha ingahy Rajemison Rakotomaharo, na dia mbola naniry ny hitoetra teo ihany aza ny tenany. Toerana hifandimbiasana io ka tsy hifanomezan-tsiny, fa ny azo lazaina dia vitsy sisa ireo tena mitana toerana
lehibe anaty andrim-panjakana sy ireo nametraka ny
filoha Ravalomanana tamin’ny toerany.

Tafapetraka ny andrim-panjakana rehetra, ary 1er tour de 100%. Antenaina ho toy izany koa ny asa
takian’ny vahoaka amin’ireto mpitondra antsika be herim-po ireto. Sa ny asa vita mety tsy hitovy amin’ny fifidianana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS