Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 00h52
 

Teny zato, kabary arivo

Ahiahy tsy ihavanana

lundi 14 avril 2008 |  829 visites  | Naivo kely

Tsy mifampatoky intsony ny samy Malagasy. Miainga any amin’ny sehatra madinika indrindra ka hatrany amin’ny vaventy. Hita taratra io eo amin’ny mpanao politika mpanohitra na mpitondra fanjakana.

Niarahana nahita ireny fisamborana manamboninahitra ireny. Ny zava-misy ao anaty Governemanta, ary misy mihitsy ny feo miparitaka etsy sy eroa fa misy minisitra ho samborina ato ho ato ? Ny samy mpitondra izany, dia efa tsy mipetraka intsony ny tena fifampitokisana satria ny ahiahy tsy hiavanana. Toraky izany ny eo anivon’ny mpanohitra. Misy manome endrika an’ingahy Lecacheur ho ny mpitondra ihany no ao ambadiky ny hetsika ataony. Dia tsy sahy miroboka ny namany, sao tratrin’ny fandrika ka ho loza. Ny vahoaka eo anatrehan’ireo rehetra ireo, dia valalanina tanteraka. Raha ho roboka amin’ny hetsiky ny mpanao politika sao dia ny omaly tsy miova no hita. Tsy handeha anefa toa mafy ilay fiainana ka mila fiovana ny isam-batan’olona.

Ireo no hilazana fa misy rivotra mangatsiaka mahamay eto, ka ahiana mety hanapotika ny toe-karena. Inona anefa ny vaha-olana, fanagadrana sa fifampidinihana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS