Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 00h52
 

Teny zato, kabary arivo

Asa mahafaty, fa tsy mahavelona

vendredi 2 mai 2008 |  796 visites  | Naivo kely

Vita iny ny voalohan’ny volana Mey. Nanao izay ho afany ny mpiasa nandritra ny filaharana omaly maraina. Niainga tamin’ireny kabary maro nifandimbiasana ireny ny ventsoventsom-po tany anaty tany. Tsy tora-po kosa aloha no ilazana izany fa fijerena ny tena tombontsoa iraisana eo amin’ny samy mpiasa tsy ankanavaka.

Toa mivaona amin’ny tena zava-misy ny hiainan’ny mpiasa Malagasy ankehitriny. Toa asa mahafaty fa tsy mahavelona no eto. Raha ireo fijaliana any amin’ny orinasa afaka haba no jerena dia hita taratra io. Fampiasana ny mpiasa mihoatra ny ora mahazatra, ny vehivavy bevohoka tsy azo ampiasaina raha vao hita fa mitsaika ny zaza ao ankibony. Ny fanolanana atao amin’ny vehivavy, fa raha vao tsy manaiky dia roahina avy hatrany. Hita io amin’ny toeram-piasana maro samy hafa. Mazana ny tovovavy ratsy bika na endrika dia tsy mahazo avara-patana, fa ny tsara endrika sy bikana, na dia heverina ho tsy mahavita ilay asa, no mahazo toerana sy avara-patana amin’ny sehatra maro.

Endrika mbola hisehoan’ny fanandevozana amin’ny sehatra maro ny toy izany. Tsy ho gaga isika raha sarotiny miady mafy ny zo tokony hananan’ny mpiasa ny sendika maro. Tsy natao hitaky fisondrotan-karama ihany ny sendika fa mijery ifotony ny zo maha-olana, ary mitaky ny hampiharana ny lalànan’ny asa. Ho ela velona ny mpiasa malagasy ary samy ahazo ny vokatry ny hatsembohana fa tsy ho sanatria hamelona ny hafa lava izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS