Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 00h52
 

Teny zato, kabary arivo

Sorona ny Renivohitra

mardi 6 mai 2008 |  734 visites  | Naivo kely

Raikitra ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny sefom-pokontany sy ny ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra. Mikorontana ny sain’ny mpanara-baovao manoloana izany, satria toa tsy misy intsony ny marimaritra iraisana eo amin’ny roa tonta.

Efa-bolana izao no voalaza fa tsy nandray tambin-karama intsony ireto sefom-pokontany ireto, ary nangataka fihaonana tamin’ny ben’ny tanàna, Andry Rajoelina ry zareo. Tsy mbola nisy ny fihaonan’ny andaniny sy ny ankilany. Ny mpamendrofendro dia manambara fa ny « Préfet de Police » no tokony handoa ny karaman’ireto farany ireto, satria izy no mampiasa azy. Ny ben’ny tanàna ihany koa dia nitondra ny fanazavany tamin’ny mpanao gazety omaly hariva momba ny endrika hambara ho fanasoketana azy. Ny asam-pokonolona ankilany tsy maintsy mandeha, satria tsy ny resaka vola tsy voarain’ny sefom-pokontany no atao sakana tsy hampandeha ny asa eny anivon’ny fokontany 192 eto an-drenivohitra.

Raha atao indray mijery ireo rehetra ireo, dia mbola taratry ny fanendrena ny sefom-pokontany hatramin’izay. Samy mihevitra ho tompon’ny marina momba izany ny ben’ny tanàna sy ny « Préfet de Police ». Vokany, lasa sorona ny Renivohitra. Renivohitra izay heverina fa ho fitaratry Madagasikara, ary handrandrain’ny vahoaka maro hisy fandrosoana, fa tsy sanatria fihemorana. Dia ho hita eo izay ahay handefitra amin’ny heviny, fa ny fanamby tokony hipetraka, dia ny ahavitana asa mihoatry ny teo aloha ao anatin’ny valo volana. Vitan’ny teo aloha ve tsy ho vitan’ny ankehitriny ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS