Rehefa mahay mifanakalo hevitra, dia miravona ny olana rehetra. Io no azo hilazana ny fiavian’i Rossy eto an-tanindrazana afaka andro vitsy monja.
Taorian’ny resabe nandeha tetsy sy teroa ireny, dia efa samy maneho ny heviny ny filoham-pirenena sy ny ministra mpiahy ny kolontsaina fa tsy manana olana amin’i Rossy izy ireo. Nihazo ny masoivon-tsika ao Frantsa ity mpanakanto ity, ary dia hitodi-doha eto Madagasikara hanatontosa ireo fampisehoana kasainy ho atao rehetra amin’ity taona ity amin’ny daty tsy mbola voafaritra.
Tsy ho vitsy ny hametraka loko politika maro samy hafa eo amin’ny fahatongavan’i Rossy, saingy ny hita aloha hatreto, dia rehefa mifanaja ny rehetra dia voavaha ny olana. Raha eo amin’ny ambaratonga samihafa dia azo atao ny manao tahaka izany. Tsy faly ny hifanome tsiny eto isika mianakavy, fa apetraho ny fahendrena izay efa hananan’ireo razana tany aloha, dia ny fifandresen-dahatra izany. Izay tofo hono mamosavy. Tanjona iray no tratrantsika eto dia ny fandrosoana fa tsy fihemorana.
Sa misy manana tombotsoa hafa ankoatry izay ? Dia samy ho tsarain’ny tantara eto isika mianakavy raha izay no masaka ao antsain’ny hafa.