Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 00h52
 

Teny zato, kabary arivo

Todiho ny lasa hanatsarana ny ampitso

jeudi 24 avril 2008 |  580 visites  | Naivo kely

Tsy hisy aharobaka izay eo am-pelatanako. Teny mamy ao anatin’ny soratra masina io, ary andeha hindramina kely momba ny fiainam-pirenena ankehitriny.

Feno ny fahefana rehetra ahafahana mamita haingana ireo tetikasa kasain’ny fitondrana atao. Mahalala ny mahasoa ny vahoaka aho, ary tsy hijery afa-tsy ny ahasoa azy. Teny mamy tsara tsy ho adino koa izany. Mbola misy teny mamy ihany koa anefa taona maro lasa izay, raha vao nandray fahefana ny filoha Ravalomanana. Ao anatin’ny enim-bolana dia efa hisy zavatra hiova eto. Ny fiainam-bahoaka io. Nandeha ny andro sy ny volana, saingy mbola mafy angaha ny mamerina ny rava vokatry ny korontana 2002 ka tsy dia nifanome tsiny. Na dia teo aza anefa ireny, dia mbola heno ihany ny hoe efa manomboka miarindoha ny toekarena Malagasy. Niampy ilay feo manga nilaza hoe ny vola misy fa ny fotoana handaniana azy no manahirana.

Vita avokoa ny fifidianana rehetra mandrafitra ny lalàmpanorenana vaovao nasiana fanitsiana. Manjaka ny antokon’ny fitondrana, ary mazava ny tanjona tiany hapetraka, dia ny fandrosoana miainga ifotony. Tokony tsy ho adinoin’izy ireo anefa fa maro no mbola tsy tanteraka tamin’ireo fampanantenana nandritra ny tolona 2002. Todiho ny lasa, hanatsarana ny ampitso, satria tsy natao ho rovitra pataloha lava izao ny vahoaka vao hahazo izay hiriany.

Ny fahaiza-miasa sisa andrasana fa ny seza rehetra efa azo. Mahazo mandry ivohon’ny vato ve izany ny vahoaka ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS