Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 08h20
 

Teny zato, kabary arivo

Mafy izany te-ho vazaha

samedi 14 juin 2008 | Naivo kely

Gasy tsy ho vazaha nahoviana. Io no heson-teny ataon’ny maro an’ireo tanora sy antitra te ho vazaha eto amin’ny tanàna. Vao mahita vazaha dia roboka ny gasy. Tsy resa-bola ihany, fa mba mizesta miaraka amin’ny vahiny e ! Na fomba fitafy na fomba firesaka, dia mitomany randrana tsy manendrika ny tena. Lokoina ny volo mba ho mena tahaka ny azy, ary raikitra ny teny vahiny, fa sao mba lasa vozongo hoy ihany izy ireny. Tsy voahaja intsony ny maha-malagasy ny tena. Toa zary henatra ho an’ny hafa izay mampiasa ny tenindrazana izany, indrindra fa rehefa vory vahoaka. Hatramin’ny zaza vao miahanatra mibada, dia tsy ny tenim-pireneny no ampianarina azy fa ny an’ny razamben’ny hafa. Ny mahagaga anefa, dia faly ery isika rehefa mahita vahiny miteny gasy, na dia manao manahoana fotsiny aza. Tehaka tsy misy toy izany. Ny hafa aza manome vahana ny antsika, fa isika kosa mba ahoana ? Tsy midika io fa tsy tokony hianatra ny fomba amam-panaon’ny vahiny isika, fa ny soa-toavina Malagasy kosa hajao.

Ho gaga ve isika raha mahita lahiantitra mamiraviravy ny zazavavy malagasy kely, satria isika koa mazana no mila raharaha. Ny vahiny ve mba mitomany ho gasy. Samia mieritreritra fa tsy ho vazaha rahoviana ianao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS