Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 22h13
 

Teny zato, kabary arivo

Samy tompon’ny fety…

lundi 23 juin 2008

Maresaka ny tanàna ! Toa fanomezan-dàlana malalaka ho an’izay rehetra te hanao fety. Raha ny an’ny fitondram-panjakana foibe aloha dia toa efa fomba fiasa indray ny fandefasana baiko midina amin’ny lafiny rehetra ka hita ihany fa mampitambatra ny foko rehetra noho ny rafitra mitovy. Tamin’ny faha 16 jona dia efa nanomboka ny fety isam-paritra. Saika mitovy avokoa ny fandaharam-potoana izay efa fantatra rahateo. Tsikaritra izao fa tompon’ny fety amin’ny ankapobeny ny fanjakana foibe. Toy ny fifidianana ben’ny tanàna ihany io ! Te ho tompon’ny fampifalifaliana ny vahoaka amin’ny asaramanitra toy izao ny fanjakana foibe, saingy an’ny ben’ny tanàna ny fikarakarana, ary ho azony ny dera sy laza raha mety ny ataony eo. Dia izay tokoa ve no mahatonga ny fanjakana hanao hetsika ivelan’Antananarivo ? Tsy fahita mantsy io ka nifangaro tamin’ny sahoan-dresaka amin’ny hanaovan’ny fanjakana fankalazana ofisialy ivelan’ny renivohitra. Rehefa dinihana anefa dia toa ny antoko politika no fototry ny fifaninanana. Ny hetsika isam-paritra ataon’ny fanjakana dia misy isan-taona, fa somary mba nanindry kely izy tamin’ity !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS