Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Vono moka

vendredi 7 mars 2008 |  733 visites  | Naivo kely

Tsy misy indra-fo, fa izay vandana dia kary. Fihetsika izay mahalasa saina ny maro ihany ny nahita azy tao ho ao, matin’ny balan’ny polisy hatrany ireo jiolahy mpandroba eto amin’ny tanàna.

Maro no faly amin’izany, satria mampitondra faisana ny ambany lanitra ny tonta kely, saingy hatraiza ny fanajana ny ain’olombelona ?

Ny fanoherana ny mpitandro ny filaminana manao ny fisamborana no fiarovan-tena entin’ireo mpitandro ny filaminana. Ahitana basy hatrany sy fitaovam-piadiana hafa hatrany ireo lavo. Rehefa manao ny fanadihadiana anefa dia mazàna no ninihana novoina ireny olona ireny. Toa zary vono moka no miseho ao anatin’ny fifanjevoana. Tsy hifanomezantsiny io, satria mafy ny vali-botana ataon’ny jiolahy. Ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny mpanao famotorana no tena ahitana ny valiny, indrindra fa ny fihavian’ireny basy miparitaka etsy sy eroa ireny. Izay no tena hilana ny sambo-belona ahafaha mahita ny ati-doha mikotrika.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS