Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Fay

lundi 25 février 2008 |  1014 visites  | Naivo kely

Aleo mangina toy izay higadra. Adalan’izay mbola te-hiditra amin’ny tabataba eto amin’ny firenena fa raha izaho aloha dia aleoko miasa. Isan’ny teny nataon’ny mpanao Politika iray, izay isan’ny nafana fo teny amin’ny amin’ny antenimieram-pirenena nefa lasa ben’ny tanàna ankehitriny. Toa miendrika ho anatra ho an’ireo namany mbola miroso amin’ny fanoherana ny tenin’ity lehilahy iray ity. Raha tsorina dia aza misy manohitra intsony e. Dia avela handeha ila ve anefa ny firenena raha toa hangina tsy hisy hiloa-bava. Tsapa ankehitriny fa maro no matahotra ny fitondrana, ary toa lasa sorona tsy fidiny fotsiny ireo nanao vy very ny ainy tamin’ny fotoan’andro ka mbola mijaly any am-pigadrana mandrak’izao. Tsy takona afenina fa na ny mitsidika ireo namany any am-ponja aza tsy misy ataon’ireto milaza ho mpanohitra ireto. Izay ve anefa no tsy hilazana ny tsy rariny miseho eto ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS