Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Aleo mitsabo toy izay misoroka

vendredi 29 février 2008 |  463 visites  | Naivo kely

Tsy diso famaky ianao fa ny zava-misy no mampamadika ilay fomba fiteny tena izy. Hiverenana kely ny fahapotehana mahazo ny tranom-panjakana maro eto amintsika isaky ny mandalo ny rivo-doza. Ny sekoly, hopitaly, tranom-pokonolona, ny biraom-panjakana isan-karazany. Indray mipi-maso monja dia rava izy ireny. Ny antony dia tsy misy fikarakarana ataon’ny tompon’andraikitra izay mitantana ireny fananam-bahoaka ireny. Tamin’ny andron’ny repoblika voalohany no tena nahitana tranom-panjakana niorina teto. Nifandimbiasan’ny mpitondra fony repoblika faharoa, nefa tsy mba noheritreretina ny hanatsarana azy. Dia io iarahana mahita io ny fahapotehany amin’izao repoblika fahatelo izao. Ho diso ve ny fijery raha mahita ny fahapotehana isaky ny mandalo ny rivo-doza ? Ny tsapa dia aleon’ny sasany mitsabo toy izay misoroka. Mino isika fa hisy ezaka lehibe hiarovana ireny vakoka sisa tsy ravan’ny rivo-doza ireny, ary samy hikajy itony fananam-bahoaka itony avokoa isika mianakavy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS