Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 00h52
 

Teny zato, kabary arivo

Manjavozavo ny marina

mercredi 12 mars 2008 |  558 visites  | Naivo kely

Tsy maintsy milamina ny tany. Fanamby goavana napetraky ny tompon’andraikitry ny filaminana io. Misy ny ezaka goavana ataon’izy ireo, ary ireny efa niarahana nahita ireny ny vokatra raha tsy hilaza afa-tsy ny olona mpanao ratsy voasambotra.

Ny resaka halatra taolam-paty dia maro ireo efa eo ampelan-tànana’ny mpitandro ny filaminana, ary tsy vitsy no efa any am-ponja.

Manjavozavo ihany anefa ny tena fahitana ny marina. Tsy mbola fantatra ny tena ati-doha mikotrika azy itony, na dia efa maro aza ireo voasambotra ireo ? Toy izany ny nipoiran’ireny fitaovam-piadiana tratra eny amin’ireo jiolahy isan-karazany. Sa basy vita gasy avokoa izy ireny. Ireo fitaovana mahery vaika aza voalaza fa efa voakiky ny marika ka tsy tena fantatra ny tena fiaviany.

Ho gaga ve isika raha mitombo andro aman’alina ny asan-jiolahy eto ? Tsy azo lavina fa manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpitandro ny filaminana, fa ny tena tsara indrindra dia ny fahazoana ny tena ati-doha mikotrikaazy ireny. Rahoviana anefa ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS