Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy ampy fanazavana

mardi 26 février 2008 |  493 visites  | Naivo kely

Miroso mametraka ireo rafitra ao anatin’ny lalàmpanorenana ny fitondrana ankehitriny. Tafiditra ao anatin’io ny fametrahana ny mpanolon-tsaim-paritra izay hatao ny 16 martsa izao. Tsy iadiana hevitra ny fangatahana ny fanemorana io fifidianana io, fa ny tsara hidirana lalina dia ny hoe, fantatry ny vahoaka ve ny tena andraikitry izany mpanolon-tsaim-paritra izany ? Io no ilana fanazavana mafonja amin’ny vahoaka, mba tsy hifidy an-jambany izy ireo. Maro no milaza fa ho vitsy ny ho tonga handatsa-bato amin’io daty voalaza etsy ambony io, ary porofon’ny tsy maha-rototra ny maro amin’izany fifidianana izany ny maha-vitsy ny mpifaninana amin’io sehatra iray io. Ny fiatombohan’ny volana martsa izao no ho raikitra ny fampielezan-kevitra ho an’ny antoko sy fikambanana nirotsaka ho fidiany, hanao ahoana ny mety ho fandraisan’ny olona ny hevitra haposaky ny mpifaninana ? Mazava ho azy fa tsy misy afa-tsy ny fandresen-dahatra ny hifidy ny tena no masaka ao an-tsain’ny kandidà, ary ho anjorom-bala ny andraikitry izy ireo. Tsy aleo ve aty am-piandohana dia efa manao ezaka ho fampahafantarana izany ny fanjakana ? Mino isika fa mbola tsy tara, nefa vahoaka mbola ao anatin’ny ratra ny rivo-doza ve hifantoka amin’izay fifidianana ? Anjarantsika no mieritreritra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS