Vidian-dafo ny ady amin’ny fahafinaretana. Aretina tsy ahitam-panafana hatramin’izao ny SIDA nefa mbola maro no be andrakandrana. Asa na ny filan’ny nofo no mahery, fa mbola maro ny roboka tsy ampiheverena na dia efa maro aza ny fanentanana natao hiadiana amin’io aretina io.
Raha ady no atrehina dia mitobaka ny vola. Isan’io ny ady amin’ny SIDA. Vita ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny firenena matanjaka. Mirohotra miditra antsehatra ny fikambanana isan-karazany. Mipoapoaka ny dokam-barotra milaza ny tokony hampiasana kapaoty, inona anefa ny vokatra azo ? Mitombo ny salan’isa ho an’ireo olona mitondra ny otrik’aretina amin’isika manoratra izao. Mikaroka ny fanefitry ny SIDA ny manampahaizana, fa mbola ambatobevohoka aloha hatreto.
Raha ny eto Madagasikara manokana, dia saika ny rendrarendra eo amin’ny isam-batan’olona no mampihanaka azy io. Tafiditra eto ny kolontsaina vahiny, ary samy mandray ny tandrify azy ny rehetra. Tsy hilaza izahay hoe vokatry ny fahantrana no antony mampihanaka ity aretina ity, fa ao kosa ny filana ny filiban’ny nofo. Ny fitiavana miaraka amin’ny vahiny izay mazana maha-roboka ny gasy mazàna no hiavian’ny loza. Inona ary no fepetra haingana tokony ho raisintsika manoloana izany ? Ny fomba fitaizaina ny tanora ve sa ny fitondrana azy ahalala an’Andriamanitra no vaha-olana ? Toa efa samy nanandrana izany ireo ray aman-dreny, kanefa tsy nihena fa mitombo ny voan’ny SIDA. Hatreto dia tsy mahasahana ny fiparitahan’ny aretina ny volabe natobaka teto, ary na ilay fimailo aza toa tsy nahitam-bokany firy, matoa mbola miakatra ny tahan’ny olona mitondra ity aretina ity. Ny fanafody tsara indrindra, dia ny samia mailo, fa tsy hananampiry ny aina.