Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 11h09
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Hianatra asa

    samedi 8 décembre 2007 | Naivo kely |  491 visites
    Asa maro no nambaran’ny kandida mpilatsaka eto an-dRenivohitra fa ho atao raha vao lany izy, ary izay koa ny ilain’ny vahoaka. Asa goavana hoy ry zalahy no atao, ary efa vonona ny vola ho enti-manana izany. Dia lasa ny saina hoe avy aiza io vola io, ary mba azo hampafantarina ny vahoaka ve iza ireo mpiara-miombon’antoka mba tsy aha-tompon-trano mihono ny mponina ? Sa ny tetibolan’ny kaominina ihany no hampiasaina amin’ireo asa ho atao ? Ny tsapa aloha dia mpandraharaha maro no efa nisintaka (...)
  • Mahatsiaro ny tany niaviana

    vendredi 7 décembre 2007 | Naivo kely |  1046 visites
    Manomboka mivoaka avokoa ankehitriny ny lasitra ho fanarenana an’Iarivo izay tavela tany ambata rehefa nandositra niala an’i Madagasikara ramatoa Ravololomanana Lalatiana, kanefa miseho masoandro indray ankehitriny. Ny fanamboarana an’Atsonjombe no tiana hambara eto, satria kandida iray izay mirotsaka ankehitriny no isan’ny tompon’andraikitra tamin’ny fampielezan-kevitr’io ramatoa io tamin’izany, saingy tsy tafita ho ben’ny tanàna io olona io. Tsy ratsy ny fanohizana izay heverina fa ho atao, kanefa (...)
  • Tapaka ifotony

    jeudi 6 décembre 2007 | Naivo kely |  692 visites
    Maika ny fampandrosoana, ary isika tsy naman’izay mihemotra hoy ny teny filamatry ny antoko iray izay. Izay no hisarihana ny sain’ny maro manoloana ny fifidianana izay hataontsika amin’ny 12 Desambra ho avy izao, izay samy mampiseho tetikasa tsara lahatra sy rindra avokoa ny rehetra, kanefa ny fanatanterahina io no tsy hay. Ndeha atodika tany amin’ny fiandohan’ny repoblika faharoa ny resaka izay nametrahan’ny filoha Ratsiraka tamin’izany ny boky mena ka nampihaiky volana ny ambany lanitra, ary (...)
  • Fanadiovam-bola

    mercredi 5 décembre 2007 | Naivo kely |  856 visites
    Toa lasa sehatra maloto ny fampielezan-kevitra izay ho ben’ny tanàna eto amintsika fa manjaka loatra ny vola, ka mampanontany tena ny rehetra hoe avy aiza ny fiavian’ireny, kanefa milaza ho sahirana ry zalahy sy zavavy isany. Raha ny eto andrenivohitra manokana, dia hifanotofan’ny antoko politika maro isan-karazany ny kandida voalaza fa tanora eto, ary hita hatrany izy ireo amin’ny fihetsiketsehana ataon’ity kandida ity. Niainga teny amin’ny Carlton io, ary hita hatrany amin’ireo (...)
  • Hazo avo halan-drivotra

    mardi 4 décembre 2007 | Naivo kely |  763 visites
    Ny fanasoavana ny mpiray tanindrazana sy ny firenena tsy maintsy misy mitsivalam-pandry, kanefa tsy izany no tsy hanohizana ny asa. Io no nambaran’ny ben’ny tanàna teo aloha izay minisitra amin’izao fotoana, Patrick Ramiaramanana manoloana ny fanenjehan’ny sasany ny asa natomboka teto an-drenivohitra niainga tany amin’ny filoha Ravalomanana sy ny tenany Patrick Ramiaramanana ary io nodimbiasan’i zandry Hery Rafalimanana io. Aoka tsy ho ataon’ny sasany sorona politika ny tanàna, ary izay no (...)
  • Kitoatoa

    lundi 3 décembre 2007 | Naivo kely |  710 visites
    Tokony harindra bebe kokoa ireo tetikasa any amin’ny faritry Taolagnaro, ka dia nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna izay atao afaka andro vitsy eto amin’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikra. Efa tratran’io koa ny tany amin’ny faritr’i Sainte Marie sy Nosy be izay tsy nahafa-po ny filoham-pirenena ny tsy fisian’ny lava-piringa any amin’ireo faritra ireo ary dia io niarahana nahita io indray ny tany Taolagnaro. Fa angaha ireo faritra telo ireo ihany no hita ho tsy (...)
  • Sinoda FJKM : hipoitra ny marina

    samedi 1er décembre 2007 | Naivo kely |  1436 visites
    Potika tampoka ny rakin-tsoratra mitahiry ny kaontim-pitantanana tao amin’ny sinodam-paritanin’Antananarivo eo anivon’ny FJKM raha vao nanambara ny mpitantana vaovao fa ilaina ny fanaovana fanadihadiana eo amin’ny resaka ara-bola eo amin’ity sehatra iray. Tsy manaiky ny isehoan’ny marina ny mpitondra teo aloha, ka mitady ny hirika rehetra hamotehana ilay nandresy azy teo amin’ny fifidianana izay birao hisahana indray ity sinoda ity, ka tafiditra hatrany amin’ny resaka politika ny raharaha, (...)
  • Tsy tamana tao Iavoloha ny Mpanohitra

    vendredi 30 novembre 2007 | Naivo kely |  791 visites
    Tsy naharitra ora vitsy taorian’ny fanasana azy, dia nitsangana nandao ny lapa teny Iavoloha ireo mpanohitra nasaina hIatrika ny loabary an-dasy sy ny dinika momba ny firaisankinam-pirenena. Tsy tamana satria tsy tao ny filoha Ravalomanana izay heverin’izy ireo fa olona ilaina mifanatrika aminy. Raha asain’olona mantsy dia tsy ny mpanampy no andeha hiara-misakafo amin’ny tena fa ny tompon-trano. « Tsy midika akory io », hoy ingahy Herizo Razafimahaleo, « fa maivan-danja ireo mpikambana ao amin’ny (...)
  • Feon-dakolosy hafa

    jeudi 29 novembre 2007 | Naivo kely |  692 visites
    Anio no hiaka-dapa eny Iavoloha ireo mpanohitra miisa enina izay nasain’ny fitondrana hiatrika ady hevitra mahasahana ny firaisam-pirenena izay tafiditra ao anatin’ilay loabary an-dasy karakarain’ny filohan’ny Repoblika malagasy. Tsy ho mpihaino fa mpandray anjara amin’ny ady hevitra mandritra ny roa andro ry zalahy ireto, ary tojo ny faniriana ny hisian’ny adi-hevitra eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Raha nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly ireto vondron’ny mpanohitra ireto izay (...)
  • Ifandroritana Iarivo

    mercredi 28 novembre 2007 | Penjy R. |  608 visites
    Ny ora fisokafan’ny fampielezan-kevitra no nandrasana dia lasa izao, hoy ilay fomba fiteny izay, ary dia nanaraka ny arabe ny fanohanana ny kandida manerana ny faritry Iarivo omaly. Izay nivoaka babany avokoa, ary hifampiderana ny mahatanora ahavita hanarina an’ity renivohitra ity. Tsara izany fandraisana andraikitra izany, satria renivohitra tsy natao ho an’olotokana ity fa an’ny malagasy tsy vaky volo. Tsy hidirana lalina ny fampanantenana nataon’ny kandida tsy azo tanterahina ao anatin’ny (...)
  • Nivadika ny palitao

    mardi 27 novembre 2007 | Penjy R. |  858 visites
    Rakotry ny tsy miankina ny tanàna raha ny mpifaninana hilatsaka ho ben’ny tanàna sy ny mpanolon-tsaina no asian-dresaka, saingy misy ihany koa ireo tsy nanary ny anaran’ny antoko nisy azy kanefa ireo eo anivon’ny fitondrana sy ny mpiara-dia aminy sisa mbola nitazona io anaran-dray io. Tsy mahatoky ny antoko nisy azy intsony ny hafa ka na dia mitoetra aza ny foto-kevitra nanabeazana ny olona tsirairay, dia ny seza tsy mahalala izany, ary ny vahoaka mila zava-baovao, ka aleo manova anarana no (...)
  • Kandidan’ny mpanohitra i TGV ?

    samedi 24 novembre 2007 | Naivo kely |  1158 visites
    Raha vao nanomboka nanambara ny fahavononany hilatsaka ho fidiana ho ben’ny tanàna i Andry Rajoelina « TGV » dia efa tsikaritra nisy olona avy amin’ny antoko hafa ivelan’ny fitondrana nanotrona azy teny amin’ny Carlton tamin’io fotoana io. Tsy olana izany, satria tsy nanilika fikambanana na antoko politika ny lehilahy, fa vonona kosa hiara-hiasa amin’ireo izay te-hiara-dia aminy. Tsy hidirana lalina ny laha-teny nataon’i Andry TGV tamin’io, fa ny tsapa aloha, dia ao aorian’ity kandida ity avokoa ny (...)
  • 8 volana nampiaiky ny vahiny

    vendredi 23 novembre 2007 | Penjy R. |  1007 visites
    Tsy mena-mitaha amin'ny renivohitra hafa ny eto Iarivo raha ny ezaka vita teto, ary isan'ny nampiaiky ny vahiny izay niatrika ny "Métropolis" io ezaka io, na teo amin'ny lafin'ny fahadiovana na teo amin'ny lafiny fandriampahalemanana. "Maro ny ezaka vitan'ny ben'ny tanana nodimbiasako teo ka tsy sarotra tamiko ny nitondra ny fahaizako amin'ny fitantanana, izay hisaorana betsaka ny vahoaka mpandoa hetra nahatsapa ireo ezaka ireo ka mora taminy ny nanefa ny adidiny. Diso ny filazan'ny hafa (...)
  • Mpanohitra ve i Sylla ?

    jeudi 22 novembre 2007 | Naivo kely |  1298 visites
    Tsy azo hiodivirana intsony ny fahoriam-bahoaka ka ilaina hampiakarina ao anatin’ny fotoana fohy ny fahafaha-mividin’ny vahoaka. Aiza ireo toky nomentsika ny vahoaka tamin’ny 2002 fa ho esorina ao anatin’ny valan’ny fahantrana ny Malagasy ? Nangataka sy niangavy ny vahoaka ny mba hirosoany amin’ny fiainana tsaratsara, saingy izao ny zava-misy, ary rehefa mangataka tsy mahazo izy, dia ireny niseho toy ny tamin’ny taona 91 sy 2002 ireny no miseho, koa aoka tsy handrasana hiverina eto ireny vao hahay (...)
  • Niaka-peo i Moxe

    mercredi 21 novembre 2007 | Penjy R. |  1282 visites
    Hatezerana ny an’i Moxe Ramandimbilahitra raha nandre ny fihetsika mamoafady nataon’ny talem-paritry ny fampianarana tany Toliara izay tsy nanaja ny zon’olombelona. Tratry ny famindran-toerana tampoka ny kandida natolotry ny TEZA tany Sakaraha izay ny talem-paritry ny fampiaranana ao Toliary no nanao izany. Mpampianatra io kandida io, solontenan’ity antoko ity eo amin’ny fikarakarana ny fifidianana tany amin’io faritra io ihany koa ary dia izao nahazo famindran-toerana tampoka izao. Tsara ny (...)
  • Indray mandingana

    mardi 20 novembre 2007 | Penjy R. |  571 visites
    Nandresy ny ekipan’ny nosy kely tatsy Comores indray izany ny Barea ny sabotsy lasa teo, izay làlana nanala ny sakana ahafahana mandray anjara amin’ny lalao fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny 2010. Dingana tsara izany mandresy ary tamin’ny isa mavesatra no nandavona ity nosy Comores ity, nefa tsy hijanona hatreo ny ezaka heverina fa tokony hatao. Ho fantatra tsy ho ela ireo iray tarika amin’i Madagasikara amin’io taranja baolina kitra io aty Afrika, ary azo heverina fa ho henjana no miandry (...)
  • Lapa vaovao

    lundi 19 novembre 2007 | Naivo kely |  2481 visites
    Valo volana monja dia ho vita ny lapa vaovao etsy Ambohitsorohitra izay hisy rihana telo ho fanampin’ny toeram-piasan’ny filoha no antony nananganana ity lapa ity. Vola Ar.1,800 tapitrisa no enti-manatontosa ity asa ity, izay voalaza fa vola tafiditra ao anatin’ny teti-bolan’ny fiadidiana ny Repoblika no hanaovana izany. Nambaran’ny filoha Ravalomanana fa io vola io dia saika hanatsarana ny trano ao Ambohitsorohitra, kanefa dia navadika ho asa mivaingana tahaka izao. Ho azo antoka izany fa hisy (...)
  • Tsy azo tsipahina

    samedi 17 novembre 2007 | Naivo kely |  720 visites
    Tsy hisy fahagagana mety hampiova ny voka-bato any Mananara Avaratra sy any Bealanana intsony, raha ny tarehimarika azo avy any antoerana no jerena. Lavitra ny elanelam-bato azon’ny AME raha mitaha amin’ny an’ny TIM, any amin’ny distrikan’i Bealanana, ary toy izany koa ny eo amin’ingahy Zakahely sy ny TIM any Mananara Avaratra. Ireo tanàn-dehibe sy faritra be olona no efa voaray ny vokatra ka izay no ilazana fa tsy hampiova tarehi-marika firy intsony izay vokatra farany tonga etsy amin’ny (...)
  • Ovao ny fomba fijery

    vendredi 16 novembre 2007 | Naivo kely |  784 visites
    Toa mivadika ho fankahalana olona indray ny fahitana ireo fotodrafitr’asa napetraka teto andrenivohitra nandritra ny volana vitsy izay, satria lasa kandida ilay olona nanao izany. Asa tsy nampitsanga-menatra ny firenena Malagasy nandritra ny lalaon’ny nosy ireny, ary mbola reharehantsika hatramin’izao, kanefa mbola mipetraka ilay fomba fijery fa tsy azo hanina ireo asa napetraka ireo. Fa ngaha moa raha kandida hafa no tafakatra eo dia ho voky avokoa ny vahoaka, ary tsy hanao asa mihoatra noho (...)
  • Te-ho vedety

    jeudi 15 novembre 2007 | Penjy R. |  897 visites
    Mba gaga ihany ny maro raha mahita ireto kandida hafa te-hilatsaka ho ben’ny tanàna sy mpanolon-tsaina manerana ny faritra maro eto Madagasikara, kanefa na ny bileta ho fidian’ny vahoaka aza zara raha vita. Toerana iray tsy lavitra ny Renivohitra no ahitana fa taratasy tsotra fotsy misy fitomboka no mba bileta ho ben’ny tanàna sy ho an’ireo mpanolon-tsaina. Ny finiavana hampandroso tanàna angamba betsaka fa ny ho enti-manana no tsy misy ? Ny hafa dia toa atao kilalao ny filatsahana ho fidiana, ka (...)

0 | ... | 240 | 260 | 280 | 300 | 320 | 340 | 360 | 380 | 400 | ... | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS