Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 20h42
 

Teny zato, kabary arivo

Feon-dakolosy hafa

jeudi 29 novembre 2007 |  692 visites  | Naivo kely

Anio no hiaka-dapa eny Iavoloha ireo mpanohitra miisa enina izay nasain’ny fitondrana hiatrika ady hevitra mahasahana ny firaisam-pirenena izay tafiditra ao anatin’ilay loabary an-dasy karakarain’ny filohan’ny Repoblika malagasy. Tsy ho mpihaino fa mpandray anjara amin’ny ady hevitra mandritra ny roa andro ry zalahy ireto, ary tojo ny faniriana ny hisian’ny adi-hevitra eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Raha nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly ireto vondron’ny mpanohitra ireto izay notarihan’ingahy Herizo Razafimahaleo, dia nanipy resaka fa efa ela no naniry izao, indrindra ilay fe-potoana napetraka hatramin’ny faran’ny volana Oktobra teo ny mba hisian’izany momba ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana izay hiatrehana ity fifidianana ity sy ny ho avy rehetra, kanefa toa tsy nasiana valiny izany. Antony iray tsy nandraisan’ny mpanohitra anjara amin’izao fifidianana izao io fanaovana be marenina io. Tonga ny fotoana ary hiatrika ny fanasana izahay, hoy izy ireo, saingy aoka ho alàna ao an-tsain’ny hafa izay mety hilaza fa voavidy izahay, hoy ny filohan’ny Leader Fanilo. Misy fotoanany ny zava-drehetra, ka heverin’ny teo anivon’ny fitondrana fa tonga izao ny fotoana ihainoana feon-dakolosy hafa ka tsy azo ialàna ireto malagasy mpiray tanindrazana tsy mitovy fomba fijery aminy ireto. Nisy firenena hafa nanery ny mpitondra hanao izao ve sa finiavana ny hanadino ny fizarazarana no anton’izao ? Mino isika fa ny hambom-po maha malagasy no nanery ity fihaonana ity, satria olona tsy mba manaiky lembenan’ny firenena hafa ny mpitondra ka ilay finiavana hiray no mitoetra, ary ny hirariana dia hisy ainga vao hiseho aorian’ity loabary andasy eny Iavoloha ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS