Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 04h52
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Mora manadino

    samedi 20 octobre 2007 | Naivo kely |  675 visites
    Dia ho sanatria ve anaran-tsy very sisa ireo olona nitana andraikitra lehibe teto amin’ny firenena na teo amin’ny lafiny ara-toe-karena na sosialy, indrindra ny lafiny politika no zary hadinon’ny maro ny antson’izy ireny ? Iza no tsy nikolay fa miha-mafy andro aman’alina ny vidim-piainana, ary misy ny tsy fahaizana mitantana eto, ka nanaovan’izy ireo antso avo tamin’ny fiaraha-monina ny mba hiraisana hina hiara-mitady vahaolana, saingy toy ny rano araraka an-damosin-gana avokoa ireo ? Notaomina (...)
  • Fay ny mpanohitra

    vendredi 19 octobre 2007 | Naivo kely |  887 visites
    Tsy hay intsony na lany stratejia na lany vola, na ihany koa mahatsapa fa naloam-bahoaka ny mpanohitra, fa dia nilaza ny fikambanan’izy ireo izay mpivory matetika etsy amin’ny Hotely Soimanga Manakambahiny, fa tsy handray anjara intsony amin’ny fifidiana izay ho atao eto. Didy jadona, fanamparam-pahefana miampy hala-bato no voalaza fa aton’io. Resy tsy miady tanteraka, izay no fomba entin’ny mpanohitra manao ny politikany, satria raha nanao toy izany avokoa ny olona tsy teo amin’ny fitondrana (...)
  • Aiza ny Bianco ?

    jeudi 18 octobre 2007 | Naivo kely |  894 visites
    Tsy nandrenesana tatitra intsony ny birao mahaleon-tena miady amin’ny kolikoly tao ho ao, izay làlana iray ahafahan’ny vahoaka mitazana ny tena olona amin’ny mety ho mpangoron-karena eto amintsika. Andraikitra goavana no napetraky ny fanjakana amin’io sehatra io, ary ilaina valiny haingana ny momba ireo depiote noesorina tamin’ny toerany. Ohatrinona ny volany sy ny fanany raha niakatra teo amin’ny fitondrana ry zareo ? Mby hatraiza kosa raha voahaisotra amin’ny toerany ireto olona ireto ? Nandeha (...)
  • Potika ny fototra

    mercredi 17 octobre 2007 | Naivo kely |  1191 visites
    Potika tanteraka ny haja amam-bonihatry ny mpanao politika nandritra ity fitondran’ny filoha Ravalomanana ity, satria tanterany avokoa ny zava-drehetra nampanantenainy tamin’ny fotoan’androny, raha vao hiakatra ny fitondrany izy. Inona ireo? Tsy nankasitrahany firy ny mpanao politika, ary iza no tsy nahatsiaro ilay hafatra fony vao nandray ny fahefana izy, fa tsy manana fifanaraha manokana amin’ny mpanao politika ny tenany ? Mbola niampy ilay teny tsy hay kosehina ao an-tsain’ny maro manao hoe (...)
  • Izay voa manodidina

    mardi 16 octobre 2007 | Naivo kely |  736 visites
    Fihemorana any anaty lavaka ny fifanonganana an-dalambe, ka samy mahatsapa ny rehetra fa ny fifidianana ihany no vaha-olana handraisana fahefana. Na dia tsy nisy fivoriana niraisana aza teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, dia tsapa fa ireo no hevitra mivoaka ny vavan’ny mpanao politika mbola te-handala ny demokrasia. Zava-droa loha no azo handikana io hevitra io, ka raha aty amin’ny mpanohitra dia eo aloha ny fatahorana ny higadra amin’ny fanangonana olona an-dalambe toy ny nahazo an’i Victor (...)
  • Matevina fa manify

    lundi 15 octobre 2007 | Naivo kely |  674 visites
    Inona intsony no sakana tsy ahafahana mampandroso ny tany sy ny firenena? Io no mby ao antsain’ny maro raha mahita ireto depiote TIM mahatratra 106 nibata ny fandresena ary hianoka ny amboara maha-solombavam-bahoaka manomboka izao. Voahilika avokoa ireo antoko mpanohitra rehetra teo aloha ka zara raha nahitana antoko politika roa dia ny « Liaraiky » sy ny « Leader Fanilo » irery sisa hany mba manome endrika ny lapa satria dia saika tsy miankina avokoa ireo ambiny tafita teo anoloan’ny (...)
  • Izay vandana dia kary

    samedi 13 octobre 2007 | Naivo kely |  739 visites
    Antoko tsy nisomonga teo amin’ny mpikambana nisy azy ny antoko Tiako I Madagasikara nandritra izay fotoana nijoroany teto Madagasikara izay, ary tsy nananany havany ho an’ireo tsy nahomby amin’ny sehatry ny fitantanana ny antoko, na ny andraikitra izay nosahaniny. Hita taratra io teo amin’ny filoha nitarika ity hatramin’izay fony ingahy Raharinaivo Randrianatoandro no nitondra ny TIM. Nosoloina an’dRazoharimihaja io ingahy io, ary tato afara dia izao lasan’i Yvan Randriasandritriniony indray ny (...)
  • Hody fa tsy tamana

    vendredi 12 octobre 2007 | Naivo kely |  1946 visites
    Nizotra ampilaminana ny fiverenan’i Rossy teto antanindrazana, na dia maro aza no nanana ahiahy ny mety hiseho tamin’iny fasahiana niverina teto Madagasikara farany teo. Nahatsiaro ny tenany ho tsy nisy heloka vitany tamin’ny mpiray tanindrazana sy ny fireneny ny lehilahy, ary matoa tsy nanelingelina azy ny fanjakana, dia hita fa olona tsy meloka izy. Ireo Malagasy tany ivelany kosa taorian’iny, dia heno fa maro no manoratra amin’ny fianakaviany eto mba te-hody ampilaminana toan’i Rossy ry (...)
  • Tsy hisy marimaritra iraisana

    jeudi 11 octobre 2007 | Penjy R. |  593 visites
    Rehe fa ankatoky ny fifidianana tahaka izao, dia misy hatrany ny marimaritra iraisana eo amin'ny antoko mitovy fomba fijery mba tsy hampizara ny vato, ka hanome vahana ny hafa. Ny hita aloha hatramin'izay dia saika ny antoko eo amin'ny fitondrana hatrany no hialokalofan'ny malemy, sitrany ahay tsy lany vola ary mba mahazo izay anjara seza izay mifanandrify amin'ny tena. Hiatriaka izay ho ben'ny tanàna isika ny vola desambra izao, izay efa maro sahady no milaza fa hanohana kandida, izay tsy (...)
  • Ben’ny tanàna hafa kely

    mercredi 10 octobre 2007 | Naivo kely |  1323 visites
    Resy tsy miady ny ankamaroan’ny mpanao politika hambara ho goavana amin’ny fotokevitra eto amin’ny tanàna raha vao mandre ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna amin’ny 12 desambra izao. Miondrika tanteraka eo anatrehan’ingahy PDS Hery Rafalimanana izy ireo, ka tsy sahy hiezaka hahavita bebe kokoa noho ny vitan’ity olona napetraka hitantanana ny tanàna ity rehefa nandao ny toerany ny ben’ny tanàna amperin’asa. Azy ny azy, fa tsy miemotra amin’izany kosa ny mpandraharaha izay hita fa tanora eto. Fantatra (...)
  • Misesika ihany

    mardi 9 octobre 2007 | Naivo kely |  607 visites
    Dia io nipoitra io indray ny daty hanaovana ny latsa-bato ho an’ireo te-handrobaka ny toeran’ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina. Na mbola tsy nivoaka amin’ny fomba ofisialy aza ny vokatry ny latsa-bato natao farany teo, dia ny raharaham-pirenena tsy miandry ela. Naneho ny heviny ny fanjakana momba ny daty, ary tsy voaresaka firy ireo fitarainana nataon’ny maro ny tokony hijerena ifotony ny maha-vitsy ny olona mpifidy, indrindra ny momba ny lalàm-pifidianana. Io lalàm-pifidianana io no mampalaina (...)
  • Mangidy lasa mamy

    lundi 8 octobre 2007 | Naivo kely |  1014 visites
    Toy ny ririnin-dasa tsy tsaroana intsony ireo nambara ho fijaliana niainana taloha, ka zary io indray no tsaroan’ny sasany ho modely ankehitriny. Mila fiovana ny Malagasy ka natao daholo ny fomba rehetra nandrendrehana ny mpitondra teo amin’izany fitondrana izany, ary nirohotra ny vahoaka mba tsy ho taran’ny fiovana izay tiana hapetraka. Nisy ny naratra, ary tsy vitsy ny maty sy very asa ary fananana, porofo nitohoka tamin’ny tenda ny raharaha 71 sy ny taona 91 nisian’ireny « diaben’ny (...)
  • Hiofana ho fitaovana ?

    samedi 6 octobre 2007 |  663 visites
    Malaza eto amintsika mihitsy ity resaka fiofanana ity, ary samy mahazo ny anjarany avokoa ny rehetra, ka ny sefom-pokontany no tena nalaza tamin’io taorian’ny minisitra izay nalefa tany ivelany taona vitsy lasa izay. Nitady vola ny filohan’ny Repoblika mba hampiofanina ny mpanao gazety tena ho mati hanina hoy izy. Tsara ny fiofanana, fa angaha ny mpanao gazety eto tsy maty hanina ? Raha tsy izany nahoana no nalaina nanao miara-manonja fony mbola tao anatin’ny fotoan-tsarotra ianareo, ka tsy (...)
  • Lasan’ny Sinoa ny tanàna

    vendredi 5 octobre 2007 | Naivo kely |  1563 visites
    Raha mbola mihanahana amin’ny fandefasana ireo ampaham-bola nifanarahan’ny firenena Malagasy taminy ireo hambara ho mpamatsy vola mahazatra antsika toy ny FMI sy ny BM, dia misosoka mametraka ny fiaraha-miasa matotra kosa ny firenena hafa, toy ny ataon’ny Sinoa amintsika izao. Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta, izay tsy zoviana amin’ny maro ny asa nataon’ity firenena azo hambara fa isan’ny mpatanjaka eto amin’izao tontolo izao, toy ny fanamboarana làlana, Hotely goavana misy (...)
  • Masim-bava ?

    jeudi 4 octobre 2007 | Penjy R. |  1068 visites
    Manandro ve sa ny toky no betsaka no toa manakaiky ny voalazan’ny vavany hatrany no miseho eto amintsika isaky ny fifidianana izao ? Io no fanontaniana tonga tao antsain’ny rehetra rehefa nahita ny vokatry ny latsa-bato natao teto. Nanambara ny kandida Ravalomanana fa 1er tour de vita, ary dia tanteraka tokoa izany. Hatao fitaratra aty Afrika ny fifidianana izay atao, ary ireny niarahana nahita ireny ny nambaran’ny mpanara-maso ny fifidianana fa dia mendrika tanteraka isika eto Madagasikara (...)
  • Be noho ny vitsy

    mercredi 3 octobre 2007 | Naivo kely |  762 visites
    Raha ny tombana ataon’ny mpitazana, dia mety ho lasan’ny antoko Tiako I Madagasikara avokoa ny toerana 120 amin’ireo 127 hiadiana etsy Tsimbazaza, izay heverina fa tsy mbola fahita eran-tany ny tahaka izao, na dia maro aza no mihevitra fa tokony hanjakan’ny maro an’isa ny sehatra toa itony, mba ahafahan’ny fitondrana manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny MAP. Ny fifidianana no vita fa ny fitarainana sy ny fitoriana apetraka eny anivon’ny HCC kosa dia mitombo andro aman’alina, ka ireo rehetra (...)
  • Didy hafahafa

    mardi 2 octobre 2007 | Naivo kely |  1388 visites
    Ora dimy tsy an-kiato no nandalovan’ingahy Pety Rakotoniaina teo anoloan’ny fitsarana omaly izay mahakasika ireo raharaha hiampanga azy momba ny fitazonana fiarakodiam-panjakana, ary nafindra amin’ny anaran’olon-kafa ireo fiara ireo.Tokony ho afaka madiodio aho raha tsy politika no entina hitsarana ahy, hoy ingahy Pety namarana ny fiarovan-tenany tao Anosy omaly, ary ny herinandro hitsidika io no fantatra fa hivoaka ny didy momba io raharaha io ary naverina etsy amin’ny fonjaben’Antanimora (...)
  • Tsy hananan-kavana

    lundi 1er octobre 2007 | Penjy R. |  1124 visites
    Maro no nankasitraka ny tenin’ny filoha Ravalomanana teny Ivato ny sabotsy alina teo nilaza fa mety ho ny toetran’ireo depiote teo aloha no nahakivy ny maro, ka nahatonga ny fahalainan’ny vahoaka andeha handatsa-bato. Ahoana tokoa moa no hamparisika ny vahoaka hanome toerana ho azy ireo raha nahita fa vola tapitrisa maro no karama sy ny tambiny omena ireo nambara fa hitondra ny feony teny Tsimbazaza ? Toa tsy hino ny saina fa tsy afaka hanao asa ho an’ny vahoaka hono raha tsy nomena (...)
  • Loza mitatao

    samedi 29 septembre 2007 | Naivo kely |  788 visites
    Hipetraka ho tantara tsy azo kasihina na sarotsaronana intsony ny fahavitsian'ny mpifidy ny alahady teo, ary mbola sarotra ihany koa ny hinia hanadino na tsy hanoratra ny zavatra tahaka ireny. An'iza ny tsiny ? Fanontaniana zary hifanolanan'ny rehetra io amin'izao, ka ao ny manararaotra fa vokatry ny fihetsika ataon'ny mpitondra izay manararaom-pahefana mangoron-karena no mankaleo ny vahoaka, ary ny ankilany anefa dia sahy manome tsiny fa ny fanoherana be fahatany ataon'ny mpanohitra no (...)
  • Hiverina i Sylla

    vendredi 28 septembre 2007 | Naivo kely |  767 visites
    Ny toerana hifandimbiasana, ary izay mahandry tantanana tsy ho very anjara. Io no hifantohan'ny saina manoloana izay ho filohan'ny antenimieram-pirenena etsy Tsimbazaza. Mety hilaza ny sasany hoe ny vokatra aza tsy mivoaka ary tsy fantatra izay mandresy sy resy koa nahoana ny filohan'io andrim-panjakana io sahady no hanaovana kabaribe eto ? Mety hitombina izany, kanefa tsy azo atao ny tsy hijery lavitra fa ho varian'ny ambany maso lava izao. Mitarika ny kandida Jacques Sylla any amin'ny (...)

0 | ... | 280 | 300 | 320 | 340 | 360 | 380 | 400 | 420 | 440 | ... | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS