Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 14h13
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Atody mandresy vato

    mercredi 8 août 2007 | Penjy R. |  284 visites
    Tao anatin’ny fitsofan-drano ny mpilalao Malagasy nataon’ny filohan’ny repoblika teny amin’ny lapa-panjakana Iavoloha omaly no nikalasian’ny filoha Ravalomanana ireo nosy mpifanandrina amintsika fa bitika raha mitaha amin’ny gasy. Toa niniana no hamaivanina mihitsy ireo nosy ireo raha ny filazana fa kely sy bitika raha mitaha amin’ny Malagasy. Tsara ny fanomezana aina ny mpilalao Malagasy toy izany, fa moa ve manao kely tsy mba mamindro isika ? 18 tapitrisa isika eto Madagasikara, nefa ireo (...)
  • Nikotrika fa lamokany

    mardi 7 août 2007 | Naivo kely |  151 visites
    Na dia mitohy aza ny tolon’ny CRTIM, dia hita fa reraka ary atahorana ho anaran-tsy very sisa any aoriana. Ilay anarana «Tiako I Madakasikara » nireharehana tany aloha, zary niofo ho «Tanindrazantsika I Madagasikara ». Tsy azo avela ilay anarana hoe TIM fa ny fomba hitondrana azy no samy hafa. Dia mihevitra ve ireto TIM naniha ireto fa mbola ao aorian’ny filoha mpanorina dia i Marc Ravalomanana izy ireo. Inona no hery ahafahan’izany ondry very izany mba hampiaka-danja azy ireo eo anatrehan’ny (...)
  • Lany vola tsy fidiny

    lundi 6 août 2007 | Naivo kely |  126 visites
    Andro vitsy sisa hisaina dia hikatona tanteraka ny fametrahana ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ireo olona te-hiazakazaka ho etsy Tsimbazaza. Samy mivonona ny handrombaka ny amboara be indrindra ny antoko sy ny olon-tsotra izay handeha amin’ny anaran’ny tenany manokana, ka eo no mety hampilatsaka ny isan’ny mpandray anjara. Miroaroa saina ny ankamaroan’ny ao anatin’ny antoko goavana eto amintsika, satria hiainga ny sivana hatao amin’ireo olona heverina fa manam-piniavana (...)
  • Palitao hiova loko

    samedi 4 août 2007 | Naivo kely |  169 visites
    Tao aorian’ny hamoram-po nandraisan’ny filoham-pirenena ny mpanohitra tany Toamasina farany teo iny, dia azo antoka fa hisy fiantraikany betsaka eo imason’ny mponina any an-toerana ny toy ireny. Antony tsy azo lavina ny hisainan’ny rehetra, fa aleo manohana an-dRavomanana, sao tsy handroso ny faritra misy antsika izay hita fa potika tokoa tao ho ao. Ireo tsy manaiky ny tambitamby dia hanome lesona ny mpiara-monina aminy hilaza fa raha tsy hanaiky ny sitrapon’ny fanjakana ve izany dia tsy afaka (...)
  • Mazava dia maizina

    vendredi 3 août 2007 | Naivo kely |  179 visites
    Gina tsy nahitan-teny firy ny mponina ao Toliara raha nahita fa andro vitsivitsy izay, dia niverina indray ny delestazy ao Toliara, ka toy ny sosoa voatapo-drano ihany ny vahoaka raha nandre, fa tonga ny fitaovana vaovao hanome hazana ny tanàna izay mahatratra 4,5 MGW kanefa dia io hiarahana mahita io ny fahavoazana. Tsy fantatra intsony izay antony nahatonga ny fahavoazana, fa raha ny heno teo aloha kely teo, dia ny fanambarana fa ilaina ny hisian’ny gropy fiandry entina hanazavana ny (...)
  • Tsy tafita ny hafatra

    jeudi 2 août 2007 | Naivo kely |  175 visites
    Nahakivy ny rehetra ihany ny nahita ny fanomanana ilay « festival Mazavaloha » natao tany amin’ny faritry Tsiroanomandidy farany teo, satria toa ratsy karakara ny fety. Ny 26 ka hatramin’ny 29 Jolay teo no nanomboka ny lanonana nefa nahitana olana hatrany. Teo aloha ny tolon’omby izay nandratràna olona roa ka nipotsaka mihitsy ny tsinain’iray voatrobaky ny tandrok’omby, ary nampiakarina aty an-drenivohitra mihitsy. Ny lalao baolina kitra sy ny baskety dia tsy nisy famaranana noho ny olana teo (...)
  • Ny soa atao loza mihantona

    mercredi 1er août 2007 | Naivo kely |  211 visites
    Miteraka fanafintohinana ho an’ny maro ny mandre fa potehin’ny foko merina hono ny tanindrazana satria ny filoha Ravalo dia merina. Diniho ny tantara vao manenitr’olona, fa saika ny merina hatrany anie no nampandry tany teto vao toy izao isika e. Tsy hidirana lalina ny tany amin’ny andron’ny faha-mpanjaka. Niongana ny filoha Philbert Tsiranana, moa tsy nahatsapa ve isika fa ny Jeneraly Ramanantsoa no nantsoina nandamina ny raharaha teto, izay tsy iza fa merina io olona io ? Niongana i Ratsiraka (...)
  • Madinika tsy ho vaventy

    mardi 31 juillet 2007 | Naivo kely |  129 visites
    Mitoman-davana ny fiakaran’ireo ambara ho fanetriben’ny firenena nanamparitaka ny laza adina nandritra ny fanadinana BEPC farany teo ka maro no efa naiditra am-ponja amin’isika manoratra izao. Omaly ary hitohy androany dia efa mahatratra 60 ny niakatra fitsarana teny amin’iny faritra Avaradrano iny, ary mbola hitohy anio. Fepetra tsara hisorohana ny gaboraraka ny tahaka izao, ka mba ho anatry ny aty afara, satria tsy azo lavina fa fanetriben’ny firenena ny fanomezana poizina ny taranaka (...)
  • Soa fa handray vahiny

    lundi 30 juillet 2007 | Naivo kely |  207 visites
    Tafapetraka soa aman-tsara ny sabotsy teo ny vato fototr’ilay hotely lehibe mitondra kintana dimy hajoro eny amin'iny faritr’Ivato iny, ka heverina ho vita alohan'ny taona 2009. Handray vahiny maro be i Madagasikara amin'io taona voalaza etsy aloha io, ka efa miomana amin'ny ho enti-manana rehetra ny fanjakana malagasy ary io niarahana nahita io fa hanomboka ny asa. Ny filoham-pirenena dia nanao antso avo tamin'ny mpandraharaha Malagasy mba hifanome tanana amin'ny sehatra tahak’izao, ary (...)
  • Milalao vola ny Gasy

    samedi 28 juillet 2007 | Naivo kely |  213 visites
    Tsapa tokoa ankehitriny fa manam-bola ny Gasy, ka sarotra atao ho malahelo isika manoloana ny fiainam-pirenena. Iza no hieritreritra fa mahantra ity firenena ity, raha manao indray mitopy maso ny zava-misy. Novitaina iny ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ny taona 2006 ka lany tao anatin'ny fihodinana voalohany ny filoha mitondra ankehitriny. Telo vola monja taorian'io, dia nanao ny fitsapan-kevi-bahoaka indray isika ny volana aprily izay nihamboana fa tsy nisy mpamatsy vola ivelany fa (...)
  • Tsy afa-miala ny COJI

    vendredi 27 juillet 2007 | Penjy R. |  202 visites
    Atomotra ny fanombohan’ny lalaon’ny nosy izay atao eto amintsika, ka na mbola tsy dia mifantoka loatra ao an-tsain’ny maro aza ny fiandrasana an’io, dia tsy azo lavina fa misy ny ezaka vita amin’ny handraisana sy hanomezana voninahitra ny firenena malagasy ataon’ny tompon’andraikitra ao amin’ity COJI ity, sy ny fanjakana Malagasy. Anjarantsika mpijery sisa no manome naoty ny mpikarakara sy ny vokatra mety ho azo amin’io fotoana io. Tafapetraka ny asa mifanaraka amin’ny fandraisana ny lalaon’ny nosy. (...)
  • Izay vao tena... tapitra !

    jeudi 26 juillet 2007 | Penjy R. |  140 visites
    Mangoron’entana ny mpilalao resy, ary samy mamonjy ny toerana nihaviany avy. Tsy nisy fanaovam-beloma iraisan’ny mpilalao tao amin’ny kianjan’ny Antenimiera, fa izay mbola hiverenana eo raha tahian’ny vahoaka no maika. Io no tsapa raha mahita ireto solombava niolomay andao ilay toerana nahazoan-karena, nahafahana ihany koa nitondra ny anjara biriky ho an’ny firenena, ary ny tena lehibe dia ny nahafahana nanao izay ho afany ho fampanjakana ny tena demokrasia na dia nisy voagadra aza tamin’ireto (...)
  • Enjehina i Jodasy

    mercredi 25 juillet 2007 | Naivo kely |  156 visites
    Rava omaly ny antenimieram-pirenena izay andry mpanao lalàna eto amintsika, ary tsy miandry ilay fanampahan-kevitry ny filohan’ny repoblika milaza fa rahampitso alakamisy ny fandravàna fa dia efa raikitra ny raoka alika araka ny fomba fiteny mahazatra. Voasava hatrany anaty izay tsy fantatra ny olona miditra ao amin’ity lapa ity, ary ny tena mampalahelo dia ireo depiote izay voaroaka aza voasava avokoa na dia mbola mahazo mipetraka amin’ny tranony mandritra ny fotoana fohy aza. Gidragidra tsy (...)
  • Hifoteran’ny rambony

    mardi 24 juillet 2007 | Naivo kely |  193 visites
    Samia tokoa mijinja izay nafafy, rehefa mamafy tadio. Tsy nisy nitsiry izay nantenain-kanirina ka zary hidona amin'ny vody hazo tsy fidiny. Raha atao indray mijery ireto mpiara-mitolona ao amin'ny TIM, izay noheverina fa tokin'ny mpirahala mita ala, saingy tsy tonga amin'ny fotoana hinanana ny anamamy ka nosarahan'ny beroberoka ry zalahy. Mizara roa tanteraka ny antoko matanjaka izay eo amin'ny fitondrana dia ny TIM izany sy ireo ondry noheverina fa nania, ka ny sasany nanao ilay (...)
  • Tsy nisy mpihaino

    lundi 23 juillet 2007 | Naivo kely |  131 visites
    Tafapetraka avokoa ny filoham-pokontany manerana ny nosy, ka any amin’ny sefo distrika indray ny baolina hanendry izay olona afaka hiara-miasa aminy. Vita iny, ary hiroso amin’ny fifidianana ho depiote sy loholona ary ben’ny tanàna isika. Tsy tongatonga ho azy ny fanendrena sefom-pokontany sy ny fandravana haingana ny antenimieram-pirenena hoy ny mpitazana, ka zary mipetraka sahady ny ahiahy tsy hiavanana. Dia ho sanatria ve hoy ny hafa dia mbola hitranga hatrany ny olana isaky ny fifidianana (...)
  • Hanomboka ny fiadanana

    samedi 21 juillet 2007 | Naivo kely |  155 visites
    Tratra i Pety. Hivoaka ny vola be natokana ho an’izay mahasambotra ity olona ity. Mirangorango avokoa ny rehetra izay nandray anjara tamin’iny hetsika iny, ka nahatonga ny mpitazana sasany hilaza hoe « Malagasy voavidim-bola » tokoa ve no eto ka tsy mahalala ny fitaka sy ny marina atao amin’ny mpiara-belona ? Tsy iadian-kevitra hatreo, fa mifarana hatreto aloha ny làlan’i Pety sy ny fianakaviany, satria dia ny fonja no sakaizan’ity tokantrano ity manomboka eto. Ny vavy iny efa niarahana nahita iny (...)
  • Ripaka ny mpitari-tolona

    vendredi 20 juillet 2007 | Naivo kely |  206 visites
    Dia tratra indray izany izao ny mpanao politika iray, izay isan’ny be fanehoan-kevitra momba ny fiainam-pirenena ka nahalikiliky ny hafa ny hevitra navoakany. Tsy hitsabaka amin’ny asan’ny mpitandron’ny filaminana sy ny fitsarana isika, fa ny azo antoka dia tsy maintsy hiditra am-ponja ary mety ho eny Tsiafahy, satria ny fanjakana tsy handany vola be ho sandan’izay mahazo azy raha toa zavatra ambara ho madinika no hiampangana azy ? Manomboka ripaka ny mpitari-tolona tamin’ny raharaha 2002 (...)
  • Amboary ny resaka

    jeudi 19 juillet 2007 | Naivo kely |  128 visites
    Haino aman-jery maro teto amin-tsika no indray namoaka ilay tenin’ny filoham-pirenena farany teo momba ny mety ho fifandraisantsika amin’ny FMI raha toa ka tsy manaiky ilay famotsoran-keloka momba ny hetra ireto mpamatsy vola ireto. Samy nametraka ny ahiahiny avokoa ny haino aman-jery nisy teto, ary tsy diso anjara tamin’izany ny mpanao politika sy ny mpandraharaha maro, raha toa ka isintahan’ny mpamatsy vola tokoa isika eto Madagasikara. Nanome tsiny ny mpanao gazety ho namadika ny vaovao (...)
  • Mahaiza mankasitraka

    mercredi 18 juillet 2007 | Naivo kely |  169 visites
    Toa fifanomezan-tsiny hatrany no hita momba ny fanomanana sy ny fandraisana ny lalaon’ny nosy izay ho atao eto amintsika manomboka ny 9 ka hatramin’ny 19 Aogostra izao. Ifanomezan-tsiny satria tsy mbola mifanaraka amin’ny fihevitry ny tsirairay toy ny fahita any ivelany raha handray lalao goavana tahaka izao isika. Ekena tsy azo lavina io, ary hanentanana ireo tompon’andraikitra maro samy hafa ao amin’i COJI mba hanazava amin’ny antsipirihiny ny ezaka izay atao, ka mba ho lalao miaina ao (...)
  • Nankaiza ny Tanteliko teto ?

    mardi 17 juillet 2007 | Penjy R. |  261 visites
    Raha nisy firenena nanaiky voalohany izao fanjakana mijoro izao ny taona 2002, dia raha tsy voalohany dia faharoa ny Soisa, ary azo heverina fa manga ny lanitra teo amin’ny fiaraha-miasan’ny tany roa tonta raha tsy hiteny ny asa goavana atsy Moramanga isika. Nitobaka ny vola ary nahazo asa ny Malagasy, ka heverina fa ankoatra ny fitrandrahana fasi-mainty any Tolagnaro, dia mba isan’ny nampahazo aina ny Ariary ny vola vahiny miasa ao Moramanga. Re anefa fa mety ho tapaka ny fiaraha-miasa (...)

0 | ... | 320 | 340 | 360 | 380 | 400 | 420 | 440 | 460 | 480 | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS