Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 23h21
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Tsara fa misaotra

    jeudi 27 septembre 2007 | Naivo kely |  400 visites
    Dia faly indray ny mpanara-maso vahiny, fa vita tsy nisy korontana ny fifidianana izay natao ny alahady lasa teo, ary isan'ny nahafaly ny teo anivon'ny fanjakana izany satria hanakoako any ivelany ny filazana fa tokony ho atao modely aty Afrika i Madagasikara. Toa nizotra tsy nisy olana tokoa ny latsa-bato ho an'ireo mpanara-maso vahiny, tamin'ny toerana izay nolalovany, satria tsy nahita ady na fifamonoana niteraka fahafatesan'olona izy ireo, fa vahoaka nandeha nandatsa-bato tao anatin'ny (...)
  • Olo-malaza very seza

    mercredi 26 septembre 2007 | Naivo kely |  8524 visites
    Mila olom-baovao tokoa ve ny vahoaka, sa ny fomba fanaovan’ny sasany politika no tsy zakan’ny vavony ka aleo manova ireo efa hita ny nataony ? Lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny antoko mpanohitra maro no hita fa lavon’ny vaton’ny mpifidy ny alahady 23 septembra teo, ka isan’io ingahy Lahiniriako Jean, Reboza Julien, Saina Michel, Pelops Ariane, Faharo Ratsimbalson, Rabesaiky Guillaume. Ampahany amin’ireo olona fanta-daza ireo amin’ny fanehoan-kevitra, saingy indrisy fa toa rendrika tsy ahazo ny (...)
  • Maty dia velona ?

    mardi 25 septembre 2007 | Naivo kely |  554 visites
    Dia maty tampoka indray ny masinina mikirakira atontan’isa tany Toamasina ny alahady alina teo, izay nampiteraka resabe toy ny nitranga nandritra ny fifidianana filoham-pirenena ny volana desambra lasa teo. Inona no dikan’iny fahatapahana teo amin’ny masinina iny? Nifantoka tany ny sain’ny mpanara-baovao maro satria toa niady ihany ny vokatra teo amin’ny samy mpifaninana tany Toamasina voalohany, ka tsy mahagaga raha lasa ratsy ny fisainan’ny mpitazana. Mino anefa isika fa mba ho lafiny (...)
  • Nandresy ny tsy nifidy

    lundi 24 septembre 2007 | Naivo kely |  308 visites
    Leo fifidianana ny vahoaka Malagasy, ka tsy rototra intsony amin’ny fanentanana atao azy ireo mba hanefa ny adidiny eto amin’ny tany sy ny firenena. Zara raha nananika ny 25% ny isan’ny olona tonga nifidy omaly tamin’ireo birao fandatsaham-bato nolalovanay rehetra, ary hita fa nangina ny toerana nanaovana izany latsa-bato izany. Niainga tamin’ireny fitsampa-kevi-bahoaka farany ny volana avril ireny, ka na dia nosarotsaromana aza ny isan’ny salam-pahavitrihan’ny mpifidy, dia porofo mitohoka (...)
  • Vahoaka no tompon’ny teny farany

    samedi 22 septembre 2007 | Naivo kely |  243 visites
    Vita iny ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandida isan’isany, izay handrobaka ny toerana 127 etsy Tsimbazaza amin’ny alahady ho avy izao. Samy nanao izay ho afany avokoa ny kandida sy ny mpanohana azy rehetra, ka tao no nivarom-pananana, nentina nanatanterahana ny Propagandy, nanaovana afisy sy ny bileta, ary tsy vitsy kosa ny niantohan’ny antoko nisy azy ny fanatontosana ireo rehetra ireo. Be ny vola lany amin’ny sehatra tahaka izao, kanefa tsy midika io, fa ho voavidim-bola ny olona, na ho (...)
  • Mpanohitra misaro-tava

    vendredi 21 septembre 2007 | Naivo kely |  290 visites
    « Lazao ny marina fa aza mialokaloka ao ambadiky ny zavona ». Teny izay miantefa any amin'ireo milaza fa tena mpanohitra eto amintsika ireo, ka mahafanina ny vahoaka ny angolam-pitifirana ny tsy fahombiazan'ny fitondrana amin'ny tarigetra izay tiany ho tratrarina. Ny fahoriam-bahoaka izay tsy mbola ahitam-panafana no atao litania isan'andro vaky ka ambara fa tsy mbola nisy tahaka ity hatrizay niainana. Tsy anjaranay no hitsara ireo mpanatanteraka, fa raha vonona ny haningotra ny fahefana eo (...)
  • Tsara sedra

    jeudi 20 septembre 2007 | Naivo kely |  200 visites
    Fito ireo minisitra milatsaka ho fidiana depiote eto amintsika, izay heverina fa vitsy ihany raha mitaha amin’ny isan’ny mpikambana ao anaty Governemanta. Vitsy satria samy milaza ho tena mahavita azy sy mamim-bahoaka avokoa ry zalahy sy zavavy ireo, indrindra fa samy nidera tena ampiakatra avo ny tanora mpanao fanatanjahan-tena tamin’ny lalaon’ny nosy teo ireny. Ny fifidianana tahaka izao no hisedrana ny fitiavan’ny olona ny minisitra sy ny asa vitany, koa deraina ny fasahian’ireo nilatsaka, (...)
  • Io sahady ny sefom-pokontany

    mercredi 19 septembre 2007 |  167 visites
    Mihorohoro ny mponina ao Manjakandriana noho ny ataon’ny sefom-pokontany ao amin’ny distrikan’i Manjakandriana manery ny mponina hifidy ny antoko TIM. Miseho lany koa ny fandikan-dalàna ataon’ny tompon’andraikim-panjakana sasany ny talata herin’ny omaly izay nitokana foara tany amin’io faritra io, ka nanaovana Propagandin’ny TIM. Notokanana ihany koa ny sekoly tao amin’ny kaomina Ambohijato izay mbola nanaovana fampielezan-kevitra ihany koa ho an’ny kandidam-panjakana. « Fitarainana voaraiko ireo » (...)
  • Metropolis, asa miampita

    mardi 18 septembre 2007 | Naivo kely |  196 visites
    Nisokatra omaly teto an-drenivohitra ny Metropolis, izay handraisan’ireo firenena mahatratra 90 anjara ka misy mponina mihoatra ny 1tapitrisa ao amin’ilay tanàna. Tombony lehibe ho an’i Madagasikara izao fivoriana izao, satria hisy tetika azo hiaraha-miasa amin’ireo firenena vahiny ho mpiray ombon’antoka amin’ity renivohitra ity. Ny taona 2005 no nahazo ny amboaran’ity Metropolis ity ny tanànan’Antananarivo ka tany Berlin no nanolorana fony ben’ny tanàna ingahy Patrick Ramiaramanana. Mitohy ny ezaka (...)
  • Sedra goavana

    lundi 17 septembre 2007 | Naivo kely |  156 visites
    Ny alahady ho avy izao no fotoana hisedrana ireo sefom-pokontany eto amintsika izay nomena famporisihana goavana tamin'ny fanjakana ny hasahiany mandray andraikitra eo amin'ny fampandrosoana sy ny raharaham-bahoaka eo amin'ny fokontany misy azy. Sedra goavana, satria ho hita eo ny fahaizany mandritra ny lisim-pifidianana izay nampikolay ny olona hatramin'izay. Ny tsy handraisan'ireo baiko avy amin'ny olona tsy fantatra ka mety hiteraka fakam-panahy hanodina ny safidim-bahoaka, ka hiandany (...)
  • Tsy hananan-kavana

    samedi 15 septembre 2007 | Naivo kely |  176 visites
    Efa hisasaka ny herinandro voalohany hanaovana ny fampielezan-kevitra ataon’ny kandida tsirairay, ary arakaraky ny handrosoan’ny fotoana ihany koa ny hikopahana fantsy ny mpifaninana amin’ny tena. Tsy ny fandresen-dahatra amin’ny Programan’asa izay ho atao intsony no hita, fa ny fanenjehan’olona, izay midika fa tahotra ho an’ny mpifaninana. Izay tsy nahazo ranondranony tamin’antoko iray, dia miharihary ny Palitao mivadika hanaovany, ka ny foto-kevitra nijoroany omaly nivadihany androany. Ny toerana (...)
  • Miditra an-tsehatra ny faritany

    vendredi 14 septembre 2007 | Penjy R. |  198 visites
    Ela nandinihana ny fiainam-pirenena ny zanak’avaratra momba izay kandida ho tohan’izy ireo eto andrenivohitra, ka tapaka ny hevitra fa hiray hina hanohana ny kandida Ramiaramanana Patrick ao anatin’ny boroborin-tany voalohany. « Lehilahy tsy miavona ary mampiray ny mpiray tanindrazana, ary hita ny asa natao, koa izay no nahatonga anay hirona hanohana ity kandida ity. Ray aman-dreninay i Ramiaramanana, ary tsy misy tanindrana sy tanavo intsony fa iray ny malagasy, koa toky no omenay fa 70% ny (...)
  • Kely sy bitika

    jeudi 13 septembre 2007 | Naivo kely |  184 visites
    Tsy miady ny baolina, satria kely sy lehibe. Io no hitan’ny maro amin’ny fampielezan-kevitra eto amintsika. Ny be fahefana dia manampatra ny herin’ny vola, ary ny tsy mana-katoraka kosa hilaozan’ny vahoaka. Io no hita raha mandinika ny fampielezan-kevitra misy eto. Tsy ny hevitra no tsy misy fa ilay hatoraka hanangonana ny vahoaka. Ekena fa tsy vidiam-bola ny safidin’ny tsirairay, saingy mbola mandaitra ve izany ankehitriny ? Koa aoka tsy ho gaga isika raha ny efa hita omaly ihany no mameno ny (...)
  • Niofana dia niofo

    mercredi 12 septembre 2007 | Naivo kely |  172 visites
    Miditra amin’ny andiany farany amin’ny fiofanana ireo sefom-pokontany avy amin’ny faritra maro, ka ity atao eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ity no mamarana io fiofanana nataon’ny sefom-pokontany mahatratra 17500 manerana ny nosy. Maro hoy ny fihoha Ravalomanana no nihevitra fa tsy ho tanteraka io, ary tsy vitsy no nanakivy fa fandaniam-bolam-bahoaka fotsiny, saingy fanamby no napetraka fa tsy maintsy vita io ka izao an-dalam-pamaranana izao ny fiofanana. Tarigetra tsara ny fametrahana (...)
  • Miantsy ny fanjakana

    mardi 11 septembre 2007 | Penjy R. |  164 visites
    Ny herinandro teo no nihenjana tany Toliara ny Praiministra lehiben’ny Governemanta sy ny ministry ny fitsarana ary ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna, ka nandefasana mpitandro ny filaminana avy aty an-drenivohitra mihitsy hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Toa rano nararaka an-damosin-gana anefa izany, satria vao lasa ireto tompon’andraikim-panjakana ireto, dia niseho indray ny vono olona nahafatesana vehivavy iray, ary ny vadiny dia mbola miady amin’ny (...)
  • Zatra mandoa vola

    lundi 10 septembre 2007 | Naivo kely |  200 visites
    Talanjona kely ny rehetra raha nahita ny fanombohan’ny fampilezan-kevitra ny sabotsy lasa teo, satria dia tsy araky ny nampoizina ny habetsahan’ny vahoaka tonga nanatrika izany fampielezan-kevitra izany. Ny momba ny kandida na tian’ny olona na tsia no asian-teny eto, fa ny momba ireo mpanakanto nantsoina izay hita fa goavana eto amin’ny firenena, ka rehefa manao eny Antsonjombe na eny Antsahamanitra na ihany koa etsy amin’ny lapan’ny kolon-tsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina dia saika feno (...)
  • Kely finoana

    samedi 8 septembre 2007 | Naivo kely |  188 visites
    Tsy hisy olona sahy hanambany sefom-pokontany intsony eto taorian’ny dera sy laza natolotry ny mpitondra fanjakana ambony azy ireo, ka zary natao litania mihitsy ny fandrangarangana ny fahefana izay hanan’ireto olom-boafidy tao amin’ny fokontany ireto. Fahaiza-mitantanana sy mandray andraikitra no nampiofanina azy ireo teny amin’ny lampam-panjakana Iavoloha, ka na dia fohy aza ny fotoanana niofanana dia afa ny misy noho ny tsy misy. Ny mahalasa saina ny rehetra, dia ity fanantenana (...)
  • Miala izay kely vola

    vendredi 7 septembre 2007 | Naivo kely |  176 visites
    Mazava izao fa tsy natao ho an’ny kely vola intsony ny fanaovana politika eto Madagasikara. Sady efa latsa-paka ao an-tsain’ny gasy fa maloto ny politika ka tsy tsara atao. Aiza koa eto Madagasikara ihany, eran’izao tontolo izao, no misy izany olom-pirenena leo politika sy tsy manao politika izany. Nopotehina tanteraka ny hevitry ny tena politika. Politika izay tsy inona fa fomba iray ho entina handrindrana fiaraha-monina. Tsy natao ho an’ny kely vola noho izany ihany koa ny fifidianana (...)
  • Lasa alohan’ny fotoana

    jeudi 6 septembre 2007 | Naivo kely |  170 visites
    Aiza ireo mpanara-maso ny fifidianana, ary inona no asan’ny CNE no tsy re- tsaika firy manoloana ny fandikan-dalàna ataon’ny kandida sy ny mpifaninana aminy raha mahita fa efa manao fampielezan-kevitra avokoa ny mpilatsaka ho fidiana rehetra eto amintsika ? Moa tsy fampielezan-kevitra ve ny fanolorana kandida amin’ny lanonam-panjakana iray izay ataon’ny mpitondra fanjakana ? Tsy fampielezan-kevitra ihany koa ve ny ataon’ireo antoko mifanipa-kevitra amin’ny fanjakana efa mitety kaominina ary (...)
  • « Ohatry ny tany mpisambotra olona aty »

    mercredi 5 septembre 2007 | Naivo kely |  385 visites
    Tonga tsy amin’ny ahiahy eto antanindrazana omaly i Rossy izay nandao an’i Madagasikara taorian’ireny savorovoro nisy ny taona 2002 ireny. Tsy i Rossy irery ny mpanakanto nisitaka fa nisy hafa, saingy nody ny lehilahy rehefa nahatsiaro ho irery tany antanin’olona. Raha zohina tokoa ny tantara dia tsy mba isan’irony olona noheverina ho fahavalom-pirenena ireny ny tenany satria tsy heno nanao barazy na nandripaka olona sy fananam-panjakana, saingy noho ny maha-mpanolotsaina ny filoha tamin’izany (...)

0 | ... | 300 | 320 | 340 | 360 | 380 | 400 | 420 | 440 | 460 | ... | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS