Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Niofana dia niofo

mercredi 12 septembre 2007 |  172 visites  | Naivo kely

Miditra amin’ny andiany farany amin’ny fiofanana ireo sefom-pokontany avy amin’ny faritra maro, ka ity atao eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ity no mamarana io fiofanana nataon’ny sefom-pokontany mahatratra 17500 manerana ny nosy.

Maro hoy ny fihoha Ravalomanana no nihevitra fa tsy ho tanteraka io, ary tsy vitsy no nanakivy fa fandaniam-bolam-bahoaka fotsiny, saingy fanamby no napetraka fa tsy maintsy vita io ka izao an-dalam-pamaranana izao ny fiofanana.

Tarigetra tsara ny fametrahana fanamby goavana tahaka izao, koa voafafy iny ny voa fa miandry ny vokatra entin’ireto sefom-pokontany ireto sisa ny vahoaka any anivon’ny faritra rehetra any. Ny hirariana dia mba tsy « niofana dia niofo » tahaka ireo ministra nalefa niana-draharaha tany ivelany, nandaniam-bola be kanefa volana vitsy taorian’ireny, dia voahaisotra tamin’ny toerany, ary ny sasany aza lasa mpanohitra rehefa voaroaka tamin’ny asany. Lanilany foana ny volam-panjakana, saingy tsy ho toy izany kosa ny sefom-pokontany e ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS