Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Miala izay kely vola

vendredi 7 septembre 2007 |  176 visites  | Naivo kely

Mazava izao fa tsy natao ho an’ny kely vola intsony ny fanaovana politika eto Madagasikara. Sady efa latsa-paka ao an-tsain’ny gasy fa maloto ny politika ka tsy tsara atao.

Aiza koa eto Madagasikara ihany, eran’izao tontolo izao, no misy izany olom-pirenena leo politika sy tsy manao politika izany. Nopotehina tanteraka ny hevitry ny tena politika. Politika izay tsy inona fa fomba iray ho entina handrindrana fiaraha-monina.

Tsy natao ho an’ny kely vola noho izany ihany koa ny fifidianana misy eto amintsika. Efa ela no nahenoana ny fisian’ny lesoka lehibe amin’io lalam-pifidianana tsy manome erijika mitovy ny mpifaninana io, nefa toa tsy mety ovaina ity izy. Asa, izany angaha no mahatsara izay eo amin’ny fitondrana.

Mikaikaika tokoa ireo mpilatsaka ho fidiana solombavam-bahoaka satria dia maro amin’izy ireo no tsy nahatonga ara-potoana ny vatony eny anivon’ny fanjakana. Tsy izay ve no efa nambara hatrizay, ny mahatsara ny biletà tokana e ?!

Nandrora nitsilany ihany ireo solombavam-bahoaka te hamerin-taona tamin’ny tsy nandinihin’izy ireo ny tolo-dalàna avy amin’ny FFKM sy ireo ankolafin-kery politika hafa ho fanatsarana ny lalam-pifidianana.

Tranga efa niseho ny tsy fahampian’ny bileta avy amin’ny kandidà mpifaninana tamin’ny fifidianana izay ho filohampirenena natao farany ireny koa iza marina no mahazo tombotsoa amin’io lalam-pifidianana io e ?!

Antenaina fa tsy hanao ambanin-javatra intsony ity lalàna maha be resaka ity ireo solombavam-bahoaka ho lany amin’ny faha 23 septambra ho avy izao, ka hahatsapa marina ny andraikiny dia ny fanaovana lalàna hampirindra marina ny fiaraha-monina misy antsika.

Soa lavo hahay hamindra e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS