Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 3 mai 2024
Antananarivo | 15h09
 

Teny zato, kabary arivo

Olo-malaza very seza

mercredi 26 septembre 2007 |  8524 visites  | Naivo kely

Mila olom-baovao tokoa ve ny vahoaka, sa ny fomba fanaovan’ny sasany politika no tsy zakan’ny vavony ka aleo manova ireo efa hita ny nataony ? Lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny antoko mpanohitra maro no hita fa lavon’ny vaton’ny mpifidy ny alahady 23 septembra teo, ka isan’io ingahy Lahiniriako Jean, Reboza Julien, Saina Michel, Pelops Ariane, Faharo Ratsimbalson, Rabesaiky Guillaume. Ampahany amin’ireo olona fanta-daza ireo amin’ny fanehoan-kevitra, saingy indrisy fa toa rendrika tsy ahazo ny sezan’i Tsimbazaza intsony. Marina fa mbola tsy ofisialy ny vokatra tamin’iny fifidianana iny, nefa azo antoka ny tsy hiovan’ny vokatra efa hita. Be no nihintsana, ary ny seza hifandimbiasana, saingy hanao ahoana izany hoe olo-malaza very seza izany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives