Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Lasa alohan’ny fotoana

jeudi 6 septembre 2007 |  170 visites  | Naivo kely

Aiza ireo mpanara-maso ny fifidianana, ary inona no asan’ny CNE no tsy re- tsaika firy manoloana ny fandikan-dalàna ataon’ny kandida sy ny mpifaninana aminy raha mahita fa efa manao fampielezan-kevitra avokoa ny mpilatsaka ho fidiana rehetra eto amintsika ? Moa tsy fampielezan-kevitra ve ny fanolorana kandida amin’ny lanonam-panjakana iray izay ataon’ny mpitondra fanjakana ? Tsy fampielezan-kevitra ihany koa ve ny ataon’ireo antoko mifanipa-kevitra amin’ny fanjakana efa mitety kaominina ary mitaona ny olona hifidy azy sahady ? Ny fizarana fanomezana tsy ahavita taona dia efa ela no hita, ary moa ve tsy fandemena ny sain’ny mpifidy ny famonoana omby ka hizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ny vahoaka ? Ny fanakatonan’ny kandida bara fisotroan-toaka ka hampirevena ny katrilava eo an-tanàna, inona no azo andikana ireny ?

Zava-misy ireo fa tsy noforonina, ka raha nomena andraikitra ireo olona afaka hampihatra ny lalàna amin’ireo minia mandika izany, dia raiso ny andraikitra ho anatry ny aty afara, satria ambara fa tany tan-dalàna no eto. Lasa alohan’ny fotoana iny ny fampielezan-kevitra, koa dia ho hitan’ny havany eo izany ireo tena nanaja ny lalàna velona teo satria ny olona efa lasa lavitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS