Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 23h21
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Afo tsy maty

    mercredi 20 juin 2007 | Naivo kely |  189 visites
    Nanaitra ny sain’ny mpanara-baovao maro ny nahita ny fihetsiky ny fanjakana nanolotra fiara lehibe miisa 5 sy vola mitentina 100 tapitrisa ariary ho an’ny kaominina an-drenivohitra tao Fianarantsoa, ka raha atambatra izany dia mahatratra 7 ireo fiara mpanala fako any an-toerana amin’izao. Fitaovana izay tsy hita mihitsy fony mbola ingahy Pety Rakotoniaina no nitondra tao, saingy rehefa nahazo laka ny PDS vaovao dia ireo fa mirarak’ompana ireo ny fitaovana. Gaga ny maro satria hay azo natao (...)
  • Randrana tsy manendrika ny tena

    mardi 19 juin 2007 | Hery A. |  235 visites
    Ny resaka fanatanjahantena eto Madagasikara mihitsy no tokony halamina, izay hita taratra amin’izao ankatoky ny fandraisana ny Lalaon’ny nosy izao. Tsy azo ihodivirana ny fanakianan’ny rehetra ny ekipam-pirenena Barea izay nifanandrina tamin’ny Gabon, tao anatin’ny CAN 2008. Tsy tanisaina eto fa efa voaporofo ny tsy fahavitrihan’ny malagasy nijery ny lalao tao Mahamasina ary ny tsy fankasitrahana ity ekipa ity. Ny fototra no tokony ho jerena mba tsy hahavery maina ny firoboroboan’ny kitra (...)
  • Atsimo sy avaratra

    lundi 18 juin 2007 | Naivo kely |  194 visites
    Taitra ny rehetra nandre ny fanazavana nentin'ny Praiministra Lehiben'ny Governemanta ny zoma teo nilaza fa fampisavorovoroana saim-bahoaka ny resaka hala-jaza sy ny fangalarana taovan'olona izay niely be tao ho ao. Ny gasy tokoa mora handairan'ny tsaho, saingy ny tsy azo hodian-tsy hita dia ny fahatratrarana ilay olona saika hiditra tao Toamasina andro vitsy lasa izay ka nahitana taovan'olana tany aminy, ary nivoaka an-gazety mihitsy fa efa nampidirina am-ponja ireo olona valo mpiray (...)
  • Tsy ampy saina

    samedi 16 juin 2007 | Penjy R. |  190 visites
    Manakaiky ny Fetin'ny fahaleovan-tena eto amintsika izay mariky ny fiandrianam-pirenena tsy sarin-tsariny fa tena fahaleovan-tena madio mangarahara. Tsy asiana resabe eto ny ny teny mandeha hoe manana ny fahaleovan-tenany tokoa ve ny Malagasy sa mbola voazanaka na amin'ny endriny mivantana na ankolaka. Andro vitsy sisa hisaina dia higadona io vanin'andro manan-tantara io, kanefa mbola vitsy no manangana ireny sainam-pirenena ireny. Tsy fantatry ny Gasy ve ny tena antony hananganana azy (...)
  • Fitaratra manjavona

    vendredi 15 juin 2007 | Naivo kely |  245 visites
    Tsy ny sakana eo anoloana no tsy ahafahana miroso amin’ny fampandrosoana, nefa matoa ao ny fingana dia aoka samy handinika sy hieritreritra ny nahatonga iny ny olona lasibatra. Mipoitra avokoa ny olana maro isan-karazany, toy ny naha-may ny Oniversite teny Andrianjato Fianarantsoa. Nolavin’ny loholona ny lalàm-panitsiana ny tetibolam-panjaka 2004, izay tsy mifanaraka amin’ny tokony fandaniana ny vola navoaka tao anaty kitapom-bolam-panjakana, izay mety hiteraka olana eo anivon’ny mpamatsy vola (...)
  • Harena sa « Arena » ?

    jeudi 14 juin 2007 |  339 visites
    « Ny fanahy no maha-olona », zava-dehibe loatra teo amin’ireo razantsika ny fikolokoloana ny fanahy. Nomeny toerana lehibe ny fanabeazana ny fanahy tamin’ireo endri-panabeazana natolony ny taranany sy ny fiaraha-monina niainana. « Tain’omby mivadika aza misy tompony », « Tsy ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha », porofom-pahendrena sy maneho ny maha lehibe ny aim-panahy teo amin’ny Ntaolo ireo fomba fitenenana. Izay mbola voarakitry ny fomba amam-pahendrena Malagasy. (...)
  • Tohizo ny lalantsika

    mercredi 13 juin 2007 | Penjy R. |  177 visites
    Na dia nitohana izay tsy izy ary ny fiarakodia nihazo ny lalana mankany Ivato sy hiazo aty andrenivohitra, dia tsy sarotiny ny maro, satria ho tohizana ny lalantsika. Teny faneva nataon’izao fitondrana izao io, ary dia io hiarahana mahita io ny ezaka ato, ka isan’izany ny tetezana etsy Ambodimita. Ny mampalahelo fotsiny, dia adin’ny telo vao afaka miampita amin’io lalana io ny fiara ka maro no tara amin’ny fidirana na an-tsekoly io na ihany koa any amin’ny toeram-piasana. Mety ho voaroaka amin’ny (...)
  • Ariary be

    mardi 12 juin 2007 | Naivo kely |  230 visites
    « Ariary be », teny fanesoana miaro fanambaniana nandritra ny taona 80. Aza sendra izany fa ny fo manontolo no mangotika. Tato ho ato, dia velom-panantenana ny maro nahita ny tanjakin’ny Ariary malagasy manoloana ireo vola vahiny isan-karazany. Nanantena ihany koa fa tsy hisy fiantraikany firy eto Madagasikara ny fiakatry ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Indrisy ! Rava izany nofinofy izany. Miakatra ny vidin’ny solika ny faran’ny herinandro teo. Eto amintsika, tsy maintsy (...)
  • Vizana alohan’ny fotoana

    lundi 11 juin 2007 | Naivo kely |  160 visites
    Mihisatra tanteraka ankehitriny ny fandrenesana ny daty hanaovana ny fifidianana isan-karazany eto amin'ny firenena. Fifidianana izay isan'ny voafaritra ao anatin'ny lalàm-panorenana vao nasiam-panitsiana farany teo. Ireo rafitra isan-jokajiny ireo no hafahany manatanteraka haingana ny MAP izay tarigetra napetraky ny fitondrana ankehitriny. Inona no mbola tsy hivoahan'io daty io ? Nahoana no tsy nihazakazahana tahaky ny natao tamin'ny fitsapan-kevi-bahoaka teo izy ity, sa vizana (...)
  • Mahamenatra

    samedi 9 juin 2007 | Naivo kely |  265 visites
    Fa dia farahidiny toa inona loatra re ny tenin-drazantsika no atao valalan’amboa ? Mahamenatra ny fikilasiana ny teny Malagasy ho tenin’olona ambany ka raha vao io no ifampiresahana dia mihevitra ny hafa te-ho ambony fahalalàna fa nandra ity olona iresahany ity. Taiza tany amin’ny firenena vahiny isika no nahita fety tao amin’ny tanànany ka teny gasy no iarahabana ny reny raha tonga ny fetiny ? Firenena iza no mampiasa io fiteny io amin’ny raharaham-panjakana ao aminy na dia iray segaondra (...)
  • Tsy mahagaga raha...

    vendredi 8 juin 2007 | Naivo kely |  134 visites
    Ny aina efa kely manoloana ny fitondrana, ary efa tondroin’ny olona molotra amin’ny asa rehetra izay atao, dia mbola ny fisarahana ho fasika ihany no maha-maika ny sasany. Misy fotony amin’ny vahoaka mpifidy anao intsony ve ny fananganana fikambanana mpanohitra na mpomba ny fitondrana ? Io no mahalasa ny sain’ny rehetra raha mahita ny fihetsiky ny depiote be voninahitra natao hitondra ny tenim-bahoaka fa manomboka mizara roa ny vondrona Parlemantera tsy miankina ao an-toerana, ka ny GPDM izay (...)
  • Nilaozan-tsakaiza

    jeudi 7 juin 2007 | Naivo kely |  164 visites
    Ny aina no matezaha fa samy ho tsarain’ny tantara eto isika rehetra. Andro sisa no hisaina dia ho maro ireo hanao fanambarana fa hivadika amin’ny antoko nisy azy teo aloha ny rehetra. Tsy asiana resabe io, fa ao ny olana matoa mandao ny akany ny vorona. Ny eo amin’ny fitondrana hivadika ho any amin’ny mpanohitra, ary ny teo ambany elatry ny fitondrana hanamafy orina ny mpanohitra. Izao tokoa no hilazana hoe mpifankatia tsy mifamarafara, ady no hiafarany, ka hiseho daholo indray ny lamba maloto (...)
  • Mitsiry tsy namoha

    mercredi 6 juin 2007 | Naivo kely |  129 visites
    Raha vao manomboka manao ny tatitra ny asa vita nandritra ny fitondrana teo aloha sy ny ankehitriny ny Praiministra lehiben’ny Governemanta, dia efa mandeha sahady ny resaka fitakiana fiovana eny amin’io andrim-panjakana etsy Tsimbazaza io. Mila fiovana haingana ny Governemanta hoy ny depiote sasany fa tsy mahomby ity Governemanta vaovao ity, ny antony dia mbola ny nataon’ny teo aloha ihany no ataony amin’ny fomba fiasa. Dia talanjona ihany ny maro nandre ireo karazan-teny ireo teny (...)
  • Iza indray no esorina ?

    mardi 5 juin 2007 | Penjy R. |  179 visites
    Tsy resy am-boninahitra fa tamin’ny fahafaham-baraka ny Barean’i Madagasikara raha nanao ny lalao miverina tany Cote d’Ivoire farany teo, satria 5 sy aotra no nisarahana. Tsy asiana resa-be hilazana hoe efa mpilalao maty hanina avokoa anie ireo nifanandrina tamintsika ka rariny raha resy isika e. Tsy vaha-olana izany satria manao dia mitetika fandresena. Koa raha manantena faharesena lava izao ve tsy aleo mipirina toy izay hanala-baraka tena lava izao ? Dia iza indray izany izao no esorina (...)
  • Mitrosa vao manangana

    lundi 4 juin 2007 | Naivo kely |  155 visites
    Napetraky ny fitondrana fa ity dimy taona manaraka ity, dia natao hananganana ny rindrina sy ny tafo, rehefa nahavita fototra isika nandritra ny dimy taona voalohany. Napetraka ny lamin’asa isan-karazany mba hiatrehana izany, dia ilay MAP izany, izay heverina fa tetik’asa mandritra ny dimy taona. Raha io tetika io tokoa ka mifanome tanana amin’ny andraikitra ny rehetra dia hinoana fa ho afaka ny ampahany kely amin’ny fahantrana mianjady amin’ny Malagasy. Ny zava-drehetra anefa tsy mandeha (...)
  • Mpanjaka ve Diam’s ?

    samedi 2 juin 2007 | Naivo kely |  362 visites
    Gaga sy talanjona ny mpandalo teto an-drenivohitra raha nahita ireto fiara mitohana hatrany Antaninandro mipaka hatrany Ivandry, ary tao Behoririka sy Analakely mihazo iny làlana iny tsy ho tenenina, satria maha kirina ny olona. Hay nisy ny fampisehoana nataon’ilay mpanankanto vahiny antsoina hoe Diam’s mampirevy eny amin’i Kianjan’Alarobia alina. Mahay mihetsika ny mpikarakara matoa vory lanona ny vahoaka, saingy ny mampametra-panontaniana ny maro dia ny hoe mpanjaka ve i Diam’s no tapahana (...)
  • Mainty sy fotsy

    vendredi 1er juin 2007 | Naivo kely |  249 visites
    Dia ny omaly tsy miova ihany ny ady hevitra tao an-dapa manan-tantara ; dia ny etsy Tsimbazaza izany, ka samy miborosy izay minisitra tiany ny tsirairay, ary izay sendra ratsy fitondran-tena teo anatrehan’ny depiote dia nahazo ny vava tsy ambina hoy ny fiteny. Dia nitanisa ny asa nambara fa vita ny mpikambana ao anaty Governemanta isan’isany, ka moa ve tsy tahaka ireny efa tany mandroso toa an’i Etazonia ireny i Madagasikara amin’izato angolan-teny mamy mitanisa ny asa vitan’ny fanjakana any (...)
  • Ho hita eo

    jeudi 31 mai 2007 | Naivo kely |  196 visites
    Ao anatin’ny ady hevitra tanteraka ny lohan’ny heverana ho fampandrosoana na ny ho faharatsiana amin’ny asa, ho tanterahana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao , ka inoana fa hiainga eo ny ady hevitra hamaritana ny fandaminana ny fiainam-pirenena . Hisy fampihavanam-pirenena tahaka izao fihaonan’ny Governemanta amin’ny loholona sy ny depiote izao indray ve eto amin’ny firenena ? Ny antony dia saika misolo tena ny antoko maro samy hafa ireo, ka heverina fa afaka amaha ny olana. Dia avy (...)
  • Hipoitra ve ny marina ?

    mercredi 30 mai 2007 | Naivo kely |  118 visites
    Andro iray lehibe andrasan’ny mpanara-baovao ny fihaonan’ny Governemanta sy ny depiote rahampitso etsy Tsimbazaza izay hamalian’ireto mpanatanteraka ny fanontaniana maro momba ny fiainam-pirenena eto amintsika. Fanontaniana izay tsy hipasoka ny efa malama ny ankamaroany, fa fifanazavana entina hampilamina ny raharaha kosa izay heverina fa pitik’afo kely dia hampipoaka ny vanja. Tsy takona afenina fa mandia fotoana sarotra ny firenena, indrindra momba ny fifandraisan’ny fanjakana sy ny (...)
  • Marina tsy filaza

    mardi 29 mai 2007 | Naivo kely |  486 visites
    Nanamaloka ny fiainan’ny mpitatitra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny faran’ny herinandro teo no nilazan’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fitaterana fa ahato amin’ny asany izay fiara miasa eny mihoatra ny 10 taona. Samy nanana ny heviny nanoloana io avokoa ny rehetra, satria ao ny nankasitraka ary tao kosa ny nitsetra vokatry ny tsy fijerena ny tombon-tsoan’ny sarababem-bahoaka. Eto aloha dia tsy mitombina intsony ilay teny mamy tany aloha hoe « tsy haka ny efa manana, fa hampanana ny (...)

0 | ... | 320 | 340 | 360 | 380 | 400 | 420 | 440 | 460 | 480 | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS