« Ariary be », teny fanesoana miaro fanambaniana nandritra ny taona 80. Aza sendra izany fa ny fo manontolo no mangotika. Tato ho ato, dia velom-panantenana ny maro nahita ny tanjakin’ny Ariary malagasy manoloana ireo vola vahiny isan-karazany. Nanantena ihany koa fa tsy hisy fiantraikany firy eto Madagasikara ny fiakatry ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Indrisy ! Rava izany nofinofy izany. Miakatra ny vidin’ny solika ny faran’ny herinandro teo.
Eto amintsika, tsy maintsy hisy fiantraikany eo amin’ny vidim-piainana andavanandro izany. Hiakatra ny vidim-bary, ny menaka, ny fitaterana, ny angovo toy ny Jirama sy ny tsy voatanisa e !
Amin’ny mpandinika ara-toe-karena, vokatry ny fampiharana ny liberalisma ekonomika no mahatonga ny fisondrotan’ny solika eto amintsika. Tsy ny fanjakana irery intsony no mametra ny vidin’ny solika. Noho izany be no manahy fa manao izay saim-patany ireo kompania mpitsinjara izany eto amintsika.
Mipetraka ary ny fanontaniana, iza no mampanao ny volantsika ho « ariary be », iza no manana tombotsoa amin’io fanaovana « ariary be » io ? Ilaina marina ny fampiharana ny mangarahara sy fifampiresahana mazava amin’ny firenena miova fenitra mahery vaika toa antsika, ka samy hahatsapa ny fanarenana ilaina amin’ny lafiny rehetra ny tsirairay (indrindra ny toe-tsaina) fa tsy ho be tsy andraofana toa « ariary be » ny ankamaroany.