Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Vizana alohan’ny fotoana

lundi 11 juin 2007 |  160 visites  | Naivo kely

Mihisatra tanteraka ankehitriny ny fandrenesana ny daty hanaovana ny fifidianana isan-karazany eto amin’ny firenena. Fifidianana izay isan’ny voafaritra ao anatin’ny lalàm-panorenana vao nasiam-panitsiana farany teo.

Ireo rafitra isan-jokajiny ireo no hafahany manatanteraka haingana ny MAP izay tarigetra napetraky ny fitondrana ankehitriny. Inona no mbola tsy hivoahan’io daty io ? Nahoana no tsy nihazakazahana tahaky ny natao tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka teo izy ity, sa vizana alohan’ny fotoana isika ka aleo aloha ny rafitra sasany efa lany andro toy ny « senat » no mbola hanohy ny asany ? Efa hisasaka ny taona, ary misy andraikitra vaovao tsy maintsy tratrarina ao anatin’ny lalàm-panorenana, koa hiandry rahoviana ary isika vao ho taitra amin’ireo andraikitra tsy azo hialana toy ny fametrahana ireo rafitra isan-karazany toy ny depiote, loholona, ary ny ben’ny tanana sy ny mpanolo-tsaina ao aminy ? Mba hialana amin’ny firotorotoana toy ny mahazatra dia hampafantaro ny vahoka ny daty tena marina mora hiomanany, ka na afaka roa taona aza anie vao atao dia vonona hiatrika izany ny vahoaka rehefa mazava ny fitsipi-dalao e. Sa hotendrena izy ireo fa tsy ho fidin’ny vahoaka mivantana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS