Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy mahagaga raha...

vendredi 8 juin 2007 |  134 visites  | Naivo kely

Ny aina efa kely manoloana ny fitondrana, ary efa tondroin’ny olona molotra amin’ny asa rehetra izay atao, dia mbola ny fisarahana ho fasika ihany no maha-maika ny sasany. Misy fotony amin’ny vahoaka mpifidy anao intsony ve ny fananganana fikambanana mpanohitra na mpomba ny fitondrana ? Io no mahalasa ny sain’ny rehetra raha mahita ny fihetsiky ny depiote be voninahitra natao hitondra ny tenim-bahoaka fa manomboka mizara roa ny vondrona Parlemantera tsy miankina ao an-toerana, ka ny GPDM izay natsangan’ingahy Lahiniriako Jean fony efa niongana amin’ny toerany no indro fa mamelo-maso ny mpanohitra ankehitriny. Nivadika daholo ny vondrona tsy miankina raha ny lisitra hita teny ampelatanan’i Reboza Julien izay voatondro fa hitarika ity sehatra iray ity no jerena .

Dia maha menatra ny mahita ny adilahin’ireto misora-tena ho mpanohitra omaly tetsy amin’ny lapan’i Tsimbazaza satria efa mila aongana angaha izao fitondrana izao. Ny anaran’ny vondrona no miova fa ny fomba fiasa entina hanohitra ny fitondrana ve hanaraka ny fivadihana palitao ihany koa ?

Mpanohitra avokoa ireo, ary efa niarahana nahita ny fomba fiasany amin’ny fanehoan-kevitra tao an-dapa, koa inona no heverina fa farim-piainana takian’ny vahoaka hiova ao anatin’ny fivadibadihana tahaka izao ? Tsy mahagaga raha tsy mahasarika ny fon’ny olona intsony ny mpanohitra, satria matoa miova anarana, dia misy hevitra tsy hiraisana ao. Koa inona io, mba hialàna amin’ny tsy rariny. Tsy ny vondrona Parlemantera irery ihany no tratra toa izao, fa ny mpanohitra rehetra, koa aoka tsy ho taitra raha maivana eo anatrehan’ny mpitondra ny mpanohitra satria ny hevitra tokony ho iray, zary potipotika toa fasika, koa fanjakana inona no ho voarobaka amin’izany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS