Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 17h45
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Sahia manao dingana lehibe

    lundi 16 juillet 2007 | Naivo kely |  206 visites
    Fomba fiteny efa ela io, ary manomboka tokoa izany dingana izany raha mahita ny trangan-javatra nisesisesy tao ho ao isika mianakavy. Noterena hampidininina ny vidin'ny solika mba tsy hanao izay danin'ny kibony ny mpandraharaha, dia niaraka ny vava ny fidinan'io, saingy mbola io niakatra io indray avy eo. Napetraka ny famotsoran-keloka faobe momba ny hetra, ka ny mpandraharaha maro no tena faly tamin'io, saingy toa tsy nahafaly ny mpamatsy vola mahazatra angaha, ka nahatonga ny (...)
  • Mbola tsy ho faly ve ?

    samedi 14 juillet 2007 |  139 visites
    Dia nihaona tamin’ireo loholona teny Iavoloha ny filoha Ravalomanana, omaly. Tsy araky ny Lalàm-panorenana izany, hoy ireo mpitsikera. Na izany na tsy izany dia vaovao mahafaly ho an’ireo senatera no nilazan’ny prezidan’ny Repoblika fa hitohy mandritry ny 30 volana (2 taona sy tapany) ny taom-piasan’izy ireo. Adino teo izany aloha ny tebiteby momba ny fifidianana sy ny fanendrena azy ireo tokony ho natao tamin’ity taona ity. Tamin’io fihaonana io koa no nanambaran’ny filoha fa ho tapaka ny (...)
  • Mitsitokotoko

    vendredi 13 juillet 2007 | Penjy R. |  201 visites
    Ny hevitra dia mitovy fa ny fanehoana izany no samy hafa. Io no hita amin’ny ataon’ny antoko Politika sy ny fikambanana maro eto amintsika raha tsy hiteny afa-tsy ny tokony hanovàna ny lalam-pifidianana, ny sehatra tsy miankina no hitantanana izany fifidianana izany. Ilaina ny famotsoran-keloka politika ary tokony hisy ny famelana ny rehetra haneho hevitra an-kalalahana, fa tsy sanatria ho gadraina izay tsy mitovy hevitra amin’ny tena. Latsaka an-kady ny firenena ka ny 58 % ny gasy no miaina ao (...)
  • Aiza ny lohany ?

    jeudi 12 juillet 2007 | Penjy R. |  219 visites
    Ny hasin-drazana mihitsy no voatohintohina raha nahita ilay fangalarana taolam-paty sy ny razana iray manontolo tao am-pasana tany amin’iny faritry Toliara iny, ary mbola nandefasana osy mainty indray tao anatin’izany fasana izany. Toetra tsy dia fahita firy nataon’ny Malagasy tany aloha io, noho ny maha-zava-dehibe loatra izany razana izany, saingy indrisy fa mahazo vahana amin’izao taon-jato iainan-tsika izao. Tsy tany Toliara ihany, fa manerana ny faritra maro eto Madagasikara no ahitana (...)
  • Gasy tsy ho vazaha

    mercredi 11 juillet 2007 | Naivo kely |  278 visites
    Mahamenatra ny mahita fa isika samy gasy ihany no mifandevina ivoho eto, raha mahita ny fiangarana atao eo amin’ny olona naiditra am-ponja isika ary toa mahakivy ho an’ny mpitazana. Raha nambara fa marary i Ialy Rakotoniaina izay voafonja ao Fianarantsoa sy ny ben’ny tanànan’i Toamasina Roland Ratsiraka izay voalaza fa marary ihany koa, dia nanambara ny fitondrana fa tsy misy olona ambony sy ambany fa mitovy avokoa rehefa voafonja ka tsy hilàna izany fitsaboana manokana izany. Tsara izany satria (...)
  • Ratsy toerana

    mardi 10 juillet 2007 | Naivo kely |  147 visites
    Tsy afaka ny hihambo ho nahavita fahagagana ho mamin’i TIM ny filoha mpitarika ankehitriny, Razoarimihaja raha nanao ilay fihaonana teny amin’ny lapan’ny kolontsaina Mahamasina ny alahady lasa teo, satria ny isan’ny olona sy ny birao politika tonga tao dia afaka hitsarana izany. Aiza izany TIM miantso vahoaka izany, na tsy misy mpanankanto aza ? Dia ireny ve ny olon’ny TIM eto an-drenivohitra raha atao tomba-maso ? Mpanankanto malaza avokoa anefa no nantsoina tao, saingy nalaina ny maro. Dia (...)
  • Velona dia maty

    lundi 9 juillet 2007 | Penjy R. |  146 visites
    Endrika iray tsy dia nanomezan’ny vahoaka lanja ny mpanao Politika ny fivadihana palitao lava, ka toa tsy ny foto-kevitra intsony no mibaiko, fa ny ho lasa lohany eo amin’ny fitantanana. 170 mahery no voalaza fa antoko misy eto, ary dia mbola misy ihany no mipoitra amin’izao fotoana izao, ka ny eo ihany anefa no mivadibadika raha ny fijery azy. Tsy misy olom-baovao tahaka ny anaran’ny antoko vao mipoitra izy ireo, fa rehefa reradreraka ilay fikambanana nisy ny tena, dia lasa indray mivadika any (...)
  • Ento miakatra ity solika ity

    samedi 7 juillet 2007 | Naivo kely |  147 visites
    Dia io tokoa ary fa niakatra ny vidin’ny solika manerana ireo mpandraharaha ara-tsolika eto amintsika, satria angamba tsy nisy ny marimaritra iraisana ? Baiko hentitra no nomen’ny filohan’ny nosy tany Faradofay farany teo, ary nilazany fa « samy mpandraharaha isika ka aoka tsy hambotry ny vahoaka ». Niaraka ny vava dia nilefitra ny mpandraharaha momba ity solika ity, ka nampidina ny vidin’ny solika ho amin’ny amin’ny teo aloha. Tsy nidina fahatany anefa io, fa misy ny dinika eo amin’ny (...)
  • Mahagaga, mavariana

    vendredi 6 juillet 2007 | Naivo kely |  275 visites
    Mba ataovy matotra ny fanaovana Politika eto, fa tsy sanatria mijapy lava izay ambaran’ny sasany. Toa miendrika fahalemena ny ataon’ny vondrona hafa ka zara raha mahita ho tenenina amin’ny ambaran’ny hafa. Ialan-tsiny amin’izay mety ho voakasik’ity lahatsoratra ity, satria ho fintinin’ny iray marina ny teny zato, miampy kabary arivo ahely etsy sy eroa. Bileta tokana no nambaran’ny solontenam-panjakana Amerikana hatao eto, ary sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana no heverina fa tokony (...)
  • Ity vao tena MAP !

    jeudi 5 juillet 2007 | Naivo kely |  175 visites
    Fiovana goavana no hita eto raha miara-misalahy ny mpandrahara rehetra sy ny fanjakana, raha manaiky ilay antso avo nataon’ny filohan’ny repoblika Marc Ravalomanana omaly avy any ivelany nilaza fa ho atao eto Madagasikara ny taona 2009 ny fivorian’ny vondrona Afrikana handraisan’ireo filoham-panjakana maro isan-karazany atsy Afrika. Fananganana hotely handraisana vahiny, eo ihany koa ny momba ny fitaterana, ary hojerena ny momba ny seranam-piaramanidina eny Ivato raha mahazaka fiaramanidina (...)
  • Foto-kevitra matsatso

    mercredi 4 juillet 2007 | Penjy R. |  179 visites
    Tsy nisy antoko natanjaka ka tsy voazarazara sy niady an-trano teto amintsika raha ny tantara no asian-teny, ka rariny tokoa raha nampiharina teto amin’ny firenena ilay « etika Politika » nataon’ny antoko Leader Fanilo tetsy amin’ny lapan’ny kolon-tsaina sy ny fanatanjahan-tena taona maro lasa izay. Tsy tafapetraka ve ny foto-kevitry ny antoko sa manjaka loatra ny herin’ny vola ? Niainga tamin’ny atoko PSD izay niteraka RPSD tato afara, ary io nanan-jafikely ho RPSD vaovao io ankehitriny. Ny (...)
  • Tsy masina an-taniny

    mardi 3 juillet 2007 | Penjy R. |  178 visites
    Vita fety tokoa angamba ka mifantoka any amin’ny fiainam-pirenena amin’izay ny mason’ny besinimaro, raha tsy hiteny afa-tsy ny zava-misy any Fianarantsoa isika. Tsy nitazam-potsiny ny zava-manjo an-dramatoa Ialy Rakotoniaina intsony ny mpikambana ao amin’ny « Tambatra » manerana ny faritra maro, ka mivonona ny tsy hanaiky lembenana intsony amin’ny atao amin’ny filohan’ity fikambanana ity sy ny vadiny. Raha ny fantatra dia hisy fihaonana haingana hataon’ireo mpitarika mbola tsy voasambotra ato ho ato (...)
  • Manadio kianja

    lundi 2 juillet 2007 | Penjy R. |  178 visites
    Eo am-pandrafetana ny daty hanaovana ny fifidianana izao ny Governemanta araka ny nambaran'ny Praiministra farany teo tetsy Tsimbazaza, ary azo antoka fa ity taona ity dia hisy fifidianana telo raha kely indrindra. Ny daty dia mbola any an-kibon'ny omby kanefa nanaitra ny maro ireo te-handray fahefana, izay tsy mba zatra miseho vahoaka lasa nanakaiky azy ireny haingana. Ohatra amin'izany ny fahitana depiote maro miara-mitakosona tampoka amin'ny mponina, ka raha ny fetin'ny fahaleovan-tena (...)
  • Nankaiza, ary aiza ?

    samedi 30 juin 2007 | Penjy R. |  195 visites
    Fanontaniana tsy tokony hipetraka, kanefa heno ombieny io, raha mahita ny zava-misy ankehitriny isika rehetra. Tsy resaka fanarabiana, fa kosa fampatsiarovan-tena ho an’ny tsirairay mba tsy ho tohatra isika rehetra any aoriana. Nitolona ny SMM izay andry iankinan’ny fahafahan’ny meloka sy ny hafa, ka nahatonga ilay didy fampiarana tampoka ary natovana tao anaty lalàmpanorenana fa ho tampahana ny karaman’ireo mpiasa izay hita fa mitokona. Ny Seces Izay nanana ny heriny hatramin’izay, mby aiza (...)
  • Ahitsio raha diso

    vendredi 29 juin 2007 | Penjy R. |  210 visites
    Manembon-dava ny andro taloha ny ankamaroan’ny vahoaka mbola miaina eto an-tanindrazana ankehitrio, ary na izao fitondrana be mpanan-kiana izao aza dia mety ho fahatsiarovana volamena ho an’ny sasany atsy ho atsy. Marina io, satria matoa naongana ny fitondran’i dadabe Tsiranana dia nisy fiheverana ho tsy nahomby tao. Ny Politikan’ny kibo no tarigetrany tamin’izany. Niongana izy ny taona 72 na dia maro aza no nihevitra fa nahavita zavatra maro ity olom-boafidy ity, isan’io ny « cite » maro (...)
  • Mifanilika an-toerana

    jeudi 28 juin 2007 | Naivo kely |  133 visites
    Raha ny tokony ho izy dia anio no ho fantatra ireo komity hikarakara ny filan-kevim-pirenen’ny antoko Tiako I Madagasikara, handamina sy handravona ny disadisa niseho tao amin’io antoko matanjaka ahiana halemy raha tsy mitandrina io. Fihetsika izay midika zavatra maro no mby ao an-tsain’ny mpitazana raha vao raikitra ny savorovoro ao anatiny, dia ireto avy izany. Manakaiky ny fifidianana isan-karazany, izay midika avy hatrany fa hisy ny sivana isan-karazany toy ny mahazatra. Tafapetraka ny (...)
  • Famotsoran-keloka hafa

    mercredi 27 juin 2007 | Naivo kely |  100 visites
    Vita ny alatsinainy alina teo, nandritra ny kabary nataon'ny filoha Ravalomanana ho an'ny vahoaka Malagasy, ny famotsoran-keloka faobe, ka ireo izay niafina tany rehetra tany afaka miseho an-kalalahana amin'izay, saingy tsy ilay famotsoran-keloka noheverin'ny rehetra io, dia ilay famotsoran-keloka Politika izay nandrandrain'ny maro, fa famotsoran-keloka ho an'ireo tsy nahefa ny hetrany hatramin'izay, ka zary niafina tsy fidiny. Fanapahan-kevitra heverina fa hitaomana ny mpandraharaha (...)
  • Voatapim-bava ny Ben’ny tanàna

    samedi 23 juin 2007 | Naivo kely |  123 visites
    Fanambarana lehibe no entin'ny filoham-pirenena hanamarika ny fetin'ny Fahaleovantena ny 26 jona ho avy izao, ka samy miandry io avokoa ny maro, satria mety hiainga amin'io indray ny kajikajy isan-karazany hanomezana baiko ny ambanilanitra hitondrana ny tany sy ny fanjakana. Ny mahalasa saina dia ny maheno ny fitarainana ataon'ny Ben'ny tanàna maro izay nanomana izany fetim-pirenena izany, ka hanao kabary ankalamanjana ho mariky ny fety ao amin'ny faritra iadidiany. Mandeha anefa ny (...)
  • Iray sy an’aliny

    vendredi 22 juin 2007 | Naivo kely |  118 visites
    Tantara mitohy ny ao Fianarantsoa amin’ity teny zato ity, satria resaka azo roritina ho tsapan’ny ambany lanitra ny resaka. Tsy ho entina hialonana ny hafa ny fandrenesana ireo fitaovana maro azon’ny kaominina tao Fianarantsoa, saingy amboary ny resaka mba tsy haharatsy saina ny mpitazana. Aiza kosa ve ka kaominina misahana olona aman’alina no omena 100 tapitrisa ariary. Misambotra olona heverina ho ratsy toan’i Pety Rakotoniaina anefa dia omena vola mitovy amin’io izay mahasambotra azy ? Tsy (...)
  • Mangidy mafaitra

    jeudi 21 juin 2007 | Penjy R. |  220 visites
    Mitombina ihany ny tenin’ilay mpanao hatsikana iray izay, milaza fa ny mpanao baolina gasy mihitsy no tsy mahay, ka aoka tsy ahilika any amin’ny federasiona na ihany koa ny mpanazatra ny raharaha. Toa mitombina ihany koa io raha atao jery todika amin’ny ankapobeny, satria toa samy manao izay ho vitany ny mpikarakara fa ny erijika hananan’ny mpilalao no tsy ao. Vita iny ny fiatrehana ny CAN 2008, fa ny lalaon’ny nosy indray izao banjinina. Inona no ho vitan’ireto mpilalao tantanim-bazaha tsy ampy (...)

0 | ... | 320 | 340 | 360 | 380 | 400 | 420 | 440 | 460 | 480 | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS