Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 00h52
 

Teny zato, kabary arivo

Mbola tsy ho faly ve ?

samedi 14 juillet 2007 |  139 visites 

Dia nihaona tamin’ireo loholona teny Iavoloha ny filoha Ravalomanana, omaly. Tsy araky ny Lalàm-panorenana izany, hoy ireo mpitsikera. Na izany na tsy izany dia vaovao mahafaly ho an’ireo senatera no nilazan’ny prezidan’ny Repoblika fa hitohy mandritry ny 30 volana (2 taona sy tapany) ny taom-piasan’izy ireo. Adino teo izany aloha ny tebiteby momba ny fifidianana sy ny fanendrena azy ireo tokony ho natao tamin’ity taona ity. Tamin’io fihaonana io koa no nanambaran’ny filoha fa ho tapaka ny fifandraisana amin’ny FMI raha toa ka... Midika izany fa tsy hilefitra na hanambitamby izay mitady hikitika ny fiandrianam-pirenena ny filoha. Dia lasa ny sain’ny sasany manao hoe : « efa mahavita tena ve izany isika ? Na izany aza, tsy vitsy ireo faly fa mba mampiseho hazon-damosina ny mpitondra ary mampahatsiahy ilay teny faneva tamin’ny fitondrana Ramanantsoa manao hoe « Aleonay mahantra mijoro toy izay manankarena mandohalika » ! Izay ho tohiny sisa no andrasana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS