Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 00h52
 

Teny zato, kabary arivo

Ento miakatra ity solika ity

samedi 7 juillet 2007 |  147 visites  | Naivo kely

Dia io tokoa ary fa niakatra ny vidin’ny solika manerana ireo mpandraharaha ara-tsolika eto amintsika, satria angamba tsy nisy ny marimaritra iraisana ? Baiko hentitra no nomen’ny filohan’ny nosy tany Faradofay farany teo, ary nilazany fa « samy mpandraharaha isika ka aoka tsy hambotry ny vahoaka ». Niaraka ny vava dia nilefitra ny mpandraharaha momba ity solika ity, ka nampidina ny vidin’ny solika ho amin’ny amin’ny teo aloha.

Tsy nidina fahatany anefa io, fa misy ny dinika eo amin’ny fanjakana sy ny mpandraharaha, saingy tsy masaka angamba io, ka izao fanapahan-kevitra farany izao no heverin’ny hafa fa tsy hahafaty antoka azy ireo. Ny ministry ny Angovo, Patrick Ramiaramanana omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, dia nilaza fa nisy ny dinika teo amin’ny roa tonta, kanefa tsy afa-manoatra isika noho ny fiakatry ny « Barila » eo amin’ny tsena iraisam-pirenena momba ity solika ity. Tsy natao anefa io ho fanararaotana indray eo amin’ny sehatra hafa, satria efa nisy ihany koa fotoana nidinan’io vidin-tsolika io hoy ny ministra, saingy tsy ampy ny serasera nampahafantatra izany, fa ny fiakatry ny solika ihany no masaka ao an-tsain’ny rehetra.

Hatreto aloha dia ny ho ento miakatra ny vidin’ny solika no hita, ary tsara ny manazava ny saim-bahoaka toy izao nataon’ny ministry Angovo izao, ary ny hirariana dia samy hahay hanazava amin’ny vahoaka ny olana sedrain’ny ministerany avy ny rehetra, fa tsy sanatria hiandrasana ny filohan’ny Repoblika lava vao samy hangina ny vahoaka.

Raha atao indray mijery izao fihetsiky ny mpandraharaha izao, dia hita fa mametraka ny fahaleovan-tenany ara-barotra izy ireo ka tsy azon’iza ho ferana amin’ny andraikitra izay sahaniny, kanefa tsy midika fa hanjakan’ny gaboraraka, fa vonona hatrany hifampidinika amin’ny fanjakana hijerena ny marimaritra iraisana. Dia ho sanatria kosa ve anio io miakatra, dia ho afaka telo vola indray dia mbola hiakatra hatrany ? Tsy fanjakana gaboraraka kosa no eto e ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS