Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 00h52
 

Teny zato, kabary arivo

Iray sy an’aliny

vendredi 22 juin 2007 |  118 visites  | Naivo kely

Tantara mitohy ny ao Fianarantsoa amin’ity teny zato ity, satria resaka azo roritina ho tsapan’ny ambany lanitra ny resaka. Tsy ho entina hialonana ny hafa ny fandrenesana ireo fitaovana maro azon’ny kaominina tao Fianarantsoa, saingy amboary ny resaka mba tsy haharatsy saina ny mpitazana. Aiza kosa ve ka kaominina misahana olona aman’alina no omena 100 tapitrisa ariary. Misambotra olona heverina ho ratsy toan’i Pety Rakotoniaina anefa dia omena vola mitovy amin’io izay mahasambotra azy ? Tsy fanaovana tsinotsinona ny ambanilanitra ve ny tahaka izao ? Tsy azo odian-tsy hita fa misy ambadika politika io fisamborana ny ben’ny tanàna teo aloha io, koa moa ve io vola nomena ny kaominina io ilay vola hisamborana an’ilay mpiafina any andavam-bato ? Toa mitovy ihany ny iray sy ny an’alina raha izao koa iza no tsy hilaza fa lasa volamena ingahy Pety satria ny mitovy amin’ny fampandrosoana ny kaominina misy vahoaka aman’etsiny no omena olona iray maha-sambotra azy ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS