Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Mahagaga, mavariana

vendredi 6 juillet 2007 |  275 visites  | Naivo kely

Mba ataovy matotra ny fanaovana Politika eto, fa tsy sanatria mijapy lava izay ambaran’ny sasany. Toa miendrika fahalemena ny ataon’ny vondrona hafa ka zara raha mahita ho tenenina amin’ny ambaran’ny hafa. Ialan-tsiny amin’izay mety ho voakasik’ity lahatsoratra ity, satria ho fintinin’ny iray marina ny teny zato, miampy kabary arivo ahely etsy sy eroa.

Bileta tokana no nambaran’ny solontenam-panjakana Amerikana hatao eto, ary sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana no heverina fa tokony hanatontosa ny fifidianana izay hatao manaraka. Nitondra ny antenimieram-pirenena nandritra ny taona maro ingahy Lahiniriko Jean teo aloha, koa nahoana no tsy nampiharina ireo lalàna ireo izay azo naodina tsara ny tao an-tsain’ny depiote 160 raha teo ny finiavana. Enim-bolana izay no nitondran’ny filoha Ravalomanana nitondra fanindroany indray ny tany sy ny fanjakana, miseho lany isan’andro vaky izao ny fanakianana, ary iza no tsy mahatsikaritra fa ny hanongana sahady ity filoha ity no tanjon’ny sasany. Dia tsy menatra ve isika amin’ny tondro molotra isan’andro ataon’ny vahoaka ny mpanao Politika e ? Izao tontolo izao no efa manaiky fa io no filoha hitondra ny tany sy ny fanjakana, ary na ilay vahoaka Malagasy nanao ny safidiny aza tsy nanome mihoatra ny 10% ho an’ny mpifanandrina aminy koa inona indray no tadiavina ? Ekena fa mety hisy hilaza fa maro ny hosoka, saingy tsy hanafoana ny fankasitrahan’ny Malagasy sy izao tontolo izao ny olona napetraky ny lalàna izany.

Misy ny tsy mahandry ny dimy taona manaraka, ary ao kosa ny minia mangina na dia mahita ny ambara ho tsy rariny aza, toan-dry ingahy Alain Ramaroson filoha mpitarika ny MCSR, sy ireo kandidà mpifaninana tamin’ny 3 desambra ireny dia ingahy Razakarimanana Ferdinand, Ny Hasina Andriamanjato, Monja Roindefo, ramatoa Elia Ravelomanantsoa, Herizo Razafimahaleo sy i Manandafy Rakotoniriana. Ny ambiny tsy voatanisa tsy ho lazaina intsony, fa ny azo amintinana azy, dia aoka mba ho modely ho antsika ireny fifidianana any ivelany ireny. Mahay mifamela heloka ary manome sehatra malalaka ny filoha lany eo hitondra mandritra ny fe-potoana iasany. Tsy midika io fa ho tampenam-bava ny mpanohitra, fa aoka ho lanjalanjaina kosa sao amotika ny toe-karena efa miarina lava izao. Rehefa tonga eo amin’ny fitondrana ianao dia ataovy izay heverina fa maha mety toy ny misy ankehitriny, mba tsy ho rehefa miongana amin’ny toerana teo aloha vao hilaza fa izatsy na zaroa no mety hitondrana ny tany sy ny fanjakana. Ny fanambaran’ny Amerikana indray ho bileta tokana sy ny sehatra tsy miankina no hitantanana ny fifidianana indray izany aloha izao no roritin’ny rehetra. Koa zara aza nisy an’iny fa aiza kosa ny hevitr’ireto mpanao politika hafa milaza fa tena galifantsy ireto, no avela ny vahiny hatrany no hamosaka hevitra ? Marina fa maro ny hery samy hafa nanao io fanambarana io, toy ny KMF/CNOE, FFKM, ny antoko Politika isan-karazany sns... saingy « ny valala hono tsy azo raha tsy handrian’ilika ».

Ny tahaka izao ihany koa no tokony handinian’ny fanjakana ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny hery samy hafa, fa tsy avela ny vahiny hatrany no handravona ny raharaha vao hahay hiala sakana. Koa aoka samy handinika ny rehetra, fa raha mitohy ny tsy fihainoana ny mpiray tanindrazana, dia aza gaga raha hisy zavatra mahagaga, mahavariana hiseo foana eto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS