Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Famotsoran-keloka hafa

mercredi 27 juin 2007 |  100 visites  | Naivo kely

Vita ny alatsinainy alina teo, nandritra ny kabary nataon’ny filoha Ravalomanana ho an’ny vahoaka Malagasy, ny famotsoran-keloka faobe, ka ireo izay niafina tany rehetra tany afaka miseho an-kalalahana amin’izay, saingy tsy ilay famotsoran-keloka noheverin’ny rehetra io, dia ilay famotsoran-keloka Politika izay nandrandrain’ny maro, fa famotsoran-keloka ho an’ireo tsy nahefa ny hetrany hatramin’izay, ka zary niafina tsy fidiny.

Fanapahan-kevitra heverina fa hitaomana ny mpandraharaha maro hanefa ny hetrany ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana izany mba ahafahana miroso haingana amin’ny tena fampandrosoana haingana sy maharitra ny firenena. Ny fanontaniana amin’ny rehetra dia ny hoe iza avy ireo orin’asa tsy nahaloa ny hetrany, tsy naleo ve navoaka ho fanta-bahoaka aloha, vao nandray iny fanampahan-kevitra goavana iny ? Mino mantsy ny tsirairay fa ho voakitika tao daholo ireo orin’asan’ny mpitondra ambony sy ny vahiny ary ny olon-tsotra. Baiko ihany koa no nomen’ny filoham-pirenena ny Governemanta hanatanteraka io fepetra io. Mba rahoviana kosa no hivoaka ny didy momba ilay famotsoran-keloka hafa dia ilay voatsiahy etsy ambony izany, dia ny resaka Politika ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS