Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 14h31
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Hipoaka ny sarom-bilany

    lundi 3 septembre 2007 | Naivo kely |  215 visites
    Nalaza tampoka tsy fidiny teo i Bahamas. Maro no efa nijery sarintany hoe aiza marina eto amin’ity planeta tany ity tokoa i Bahamas. Tsy vitsy ihany koa ireo manaiki-tanana fa very fihinanana sy vola. Izay foana no ilazana etoana fa tsara ny misoroka toy izay mitsabo. Nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety voalohany ity orinasa milaza ho mahita asa aman’arivony hatolotra ny gasy kely ity. Tao sy niara-nipetraka tamin’ireo milaza azy ho tompon’andraikitr’izao fampandisoam-panantenana (...)
  • Tohizo fa tsara

    samedi 1er septembre 2007 | Naivo kely |  431 visites
    Tsy misy tsy mahatsapa fa ny fifidianana malalaka miainga any amin’ny safidim-bahoaka no làlana iray ahafahana sy hitarafana miaina ao anatin’ny demokrasian’ ny firenena iray, ka ny fifandim-biasan-toerana ao anatin’ny latsa-bato no no tena làlana iray hirosoana any amin’ny tany tan-dalàna. 1600 latsaka kely ny isan’ny olona nilatsaka hiady ny toerana 127 etsy Tsimbazaza, izay azo adika fa miaiky ny vahoaka 18 tapitra fa ireo no hisolo vava azy amin’ny fanaovan-dalàna raha tody soa aman-tsara eny (...)
  • Sefo, sao hamoritra ?

    vendredi 31 août 2007 | Naivo kely |  146 visites
    Vita omaly ny dingan’ny fampiofanana ireo sefom-pokontany andiany faha-efatra natao teny amin’ny lapa-panjakana Iavoloha, ka toy ny mahazatra ny hafatrafatra goavana ataon’ny filoham-pirenena. « Tsy tokony hataotra ianareo, ary mila mandray andraikitra », ampian’ireo teny mamy fanomezana vahana amin’ny fahefana ireto sefom-pokontany ireto. Tsara io satria iza tokoa no tsy maniry ny fampandrosoana hiainga ifotony, dia ny fokonolona no masi-mandidy eo amin’ny faritra misy azy ? Ny mampanahy ny (...)
  • Fadiranovana

    jeudi 30 août 2007 | Naivo kely |  180 visites
    Karavasy mirivorivo miampy ozona no azon’ny zaza notezaina tao amin’ny antoko AREMA rehefa nandositra nandao ny akany ny ray mpiahy ny fianakaviana, ka moa va tsy ireny zaza kamboty velon-dray aman-dreny ireny ity antoko ity. Niezaka hanarina ny fiainan-tokan-tranony anefa ireto zaza tavela, saingy tsy tso-drano no azo fa fanozonona. Raha mahita ny tenin’ny amiraly tamin’ny gazety teto an-toerana ireny tokoa ve moa, dia iza no mbola sahy hilatsaka amin’ny anarany izay milaza fa mpamadika sy (...)
  • Nipoitra ny nafenina

    mercredi 29 août 2007 | Naivo kely |  230 visites
    Hentitra ny CRTIM niantso ny vahoaka ho mailo amin’ireo karazana hala-bato mateti-pitranga amin’ny fifidinanana eto Madagasikara, toy ny fanomezana ordonansy ny mpifidy, ny fanovana ihany koa ny isam-bato, toy ny vato maty sy fotsy lasan’ny kandida mahazo vato betsaka, ka mampifamadika ny tokony ho azon’ny resy sy ny mpandresy . Ny fahitana fa maty ihany koa ny jiro ao anaty fifidianana, ka mampitsingatotra ny fanisam-bato ao amin’ny birao fandatsaham-bato iray, ary ny tena zava-doza ny toerana (...)
  • Mahaiza manaja tena

    mardi 28 août 2007 | Naivo kely |  204 visites
    Vita sy nivoaka tamim-pomba ofisialy omaly ny anaran’ireo mpanao gazety atao hoe maty hanina amin’ity sehatra ity ka mahatratra 1001 no isan’ireo nahazo izany karatra izany, mba ahafantarana fa tena miaina ao anatin’io sehatra io izy ireo. Ireo nahafeno ny telo taona mihoatra teo amperin’asa no mahazo izany karatra izany. Tsy midika akory io fa hanilika ireo mbola tsy nahafeno ny fe-potoana, fa ny toeram-piasana ho amin’ity sehatra asa fanaovan-gazety ity koa no manome karatra ahafantarana hoe (...)
  • Akory zay !

    lundi 27 août 2007 | Naivo kely |  172 visites
    Nandray fanapahan-kevitra ny CUA ny amin’ny hanakatonana ny toeram-pivorian’ny tanoran’Antananarivo, ARENA, etsy Antanimena tao aorian’ireny tsy fanarahana ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny filaminana tao ireny tamin’iny faram-paran’ny herinandro lasa iny. Akory zay ! Efa nanambara teto ny tenanay ny amin’ny fikorontanana sy ny loza haterak’io ARENA io eo amin’ny fiaraha-monina, indrindra moa eo amin’ny tanora malagasy. Zaza tsy ampy taona firy no efa hita antoandro be nanahary zao eo (...)
  • Loko matroka

    samedi 25 août 2007 | Naivo kely |  172 visites
    Nivoaka ny listra neken'ny HCC hifaninana hiaka-dapa ho an'ireo tsara vitana ny 23 septambra izao, ka sahiran-tsaina ny rehetra mahita ireo mpiray donak'afo zary mifandefona ivoho. Nalazo tokoa ny ravina nihinana, ka samy naka ho azy ny mpiray antoko, rehefa avy nifanipaka toy ny valala an-karona tao ry zalahy sy ry zavavy. Vala-ketraka ny mpifidy mpanara-dia ny antoko TIM raha mahita fa ilay loko marevaka nahafatifaty ny be sy ny maro teo no indro matroka tsy fidiny. Ny 80% amin'ireo (...)
  • Gasy mpanao asa soa

    vendredi 24 août 2007 | Penjy R. |  267 visites
    Hifanotoafan’ireo milaza fa kandida sahady ny vahoaka isam-pokontany miakatra eny anivon’ny kaominina noho ny fifidianana izay ho avy tsy ho ela. Fandresen-dahatra ny mpifidy, ary miseho olona nahavita asa soa goavana teo anivon’ny mpiara-belona, indrindra fa kandida vonona hitondra ny feon’ny vahoaka eny amin’ny antenimieram-pirenena raha toa ka lany eo. Mahamenatra ny fahitana ny fihetsiky ireo kandida misora -tena ho toa voatango eo anatrehan’ny mpifidy. Olona tsy fahita firy teo (...)
  • Hiova tsy ho ela ny Governemanta

    jeudi 23 août 2007 | Naivo kely |  112 visites
    Volana iray sisa andrasana dia hiova ireo mpikambana ao anatin’ny governemantan’i Praiminisitra Charles Rabemananjara, izay nitondra nandritra ny volana vitsy monja. Governemanta izay samy manana ny fomba fitsarany aza ny rehetra na nahavita ny asa mifandraika amin’ny filan’ny vahoaka malagasy azy na tsia. Minisitera maro no tsy maintsy hilaozan’ny minisitra amin’izao fotoana, satria maro amin’izy ireo no nisafidy ho kandida hiaka-dapa etsy Tsimbazaza. Fitsapana ny tena fitiavan’ny olona azy (...)
  • Misaotra fa tonga lafatra

    mercredi 22 août 2007 |  153 visites
    Tao anatin’ny fotoam-pialan-tsasatra ny rehetra no nanomboka ny lalaon’ny nosy, izay heverina fa samy nahazo ny tandrify azy ny tsirairay. Vita iny lalao, saingy mbola mitohy ny fialan-tsasatry ny olona manana ny fahafahana te-hanao izany. Firy amin’ny vahoaka malagasy tokoa no mba manana segaondra iray hialan-tsadatra amin’izao vanim-potoana mahamay izao ? Ny hatsembohan’ny tena no hinanana, ary tsy hisy olona hamoky fotsiny anao eo raha tsy misy ny asa atao. Baiko filamatra ataon’ny filohan’ny (...)
  • Voafitaka ny fototra

    mardi 21 août 2007 | Naivo kely |  190 visites
    Gina tsy nahaloa-peo ny teny anivon’ny fototra raha nandre indray fa ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny hanaovana ilay zaikabem-pirenena saika hataon’ny atoko TIM ny faha-25 aogositra izao. Gina satria iza tamin’ny mpikambana manerana ny Nosy no tsy vonona hiatrika io kongresy io ? Kongresy izay heverina fa handaminana ny toro-marika rehetra taorian’ireny nisian’ny disadisa tao anatin’ny antoko ireny ? Niainga teo ihany koa ny toro-marika rehetra hampandresena ny antoko « Tiako I Madagasikara » (...)
  • Singam-bolo nandavo ny vositra

    lundi 20 août 2007 | Naivo kely |  176 visites
    Nivalona hatreo indray ny lalaon’ny nosy andiany faha-7 izay natao taty Madagasikara, ka azo ambara fa fahombiazana no hita nandritra ny 10 andro nanatanterahana iny lalao goavana iny. Fahombiazana satria, isika malagasy no nibata ny medaly volamena 101 izay hita fa tsara ny ezaka nataon’ireo atleta malagasy. Io no medaly volamena be indrindra azon’ny Malagasy nandritra ny lalao rehetra natao hatramin’izay, ary ny gasy no nanokatra ny fahazoana medaly volamena teo amin’ny fanombohan’ny (...)
  • Tafio lamba

    samedi 18 août 2007 | Penjy R. |  352 visites
    Ilaina ny fitsikerana eo amin’izay rehetra atao, indrindra moa izany raha fitsikerana ho amin’ny fanatsarana. Tontosa soa aman-tsara ny fandraisan-tsika Malagasy ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-7 amin’ny ankapobeny. Tsy nitsanga-menatra ny firenena manoloana ny firenen-kafa indrindra manoloana ny firaisam-po nasehon’ny Malagasy tsy vakivolo tamin’ny fanohanana ireo mpikatroka Malagasy. Firaisankina tsy nisy toy izany, hoy ny olona. Nandritra izay sivy andro nandraisana ity lalao ity, dia nisy (...)
  • Omby masiaka

    vendredi 17 août 2007 | Naivo kely |  168 visites
    Efatra indray ny robaky ny tandroky ny Barean’i Madagasikara tetsy Mahamasina omaly raha nanao fihaonana tamin’ny nosy « Mayotte » isika. Taorian’ny karavasy nivaivay nahazo ity Barea Ity, dia romotra izy ireo, ka tsy iray na roa intsony no harato norovitiny fa telo miampy efatra no vokatra nojinjaina. Hiatrika ny lalao famaranana ireo tanorantsika ireo, rahampitso sabotsy, izay antenaina ary hivavahana fa hibata ny amboara volamena, kanefa manao ahoana ny vilona fanome ny omby masiaka ? Mahazo (...)
  • Afa-po Ravalo

    jeudi 16 août 2007 | Naivo kely |  178 visites
    Mendrim-piderana ny asa vita amin'ny fandraisana ny lalaon'ny nosy, ary toy izany ny fisaorana amin'ny fahendren'ny vahoaka Malagasy mahay manaja tena amin'ny lalao tahaka izao. Maniry ny filoha ny hitohizan'ny fahendren'ny Malagasy amin'ny tarehin-javatra tahaka izao ka hipetraka tokoa ny firaisan-kina eo amin'ny samy mpiray tanindrazana. Niainga ho any Zambie androany maraina ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana, ka nametrahany hafatra ho an'ireo minisitra sendra azy mba (...)
  • Ndeha atao « bilagy »

    mardi 14 août 2007 | Naivo kely |  1301 visites
    Resaka lalaon'ny nosy no malaza, ka maro no azo atao hatsikana momba azy eo am-pihainoana sy am-pijerena ny lalao. Ny vokatra azo dia azo ho tanisaina izay hita fa tsy mety, dia andeha atao ny mihaino « bilagy » mahamenatra e ! Atomboka any amin'ny fitantarana ao amin'ny haino aman-jerim-panjakana ny sehatra. Fa dia inona loatra no mitranga no hamaivanina toy ireny ny mpifaninana amintsika rehefa olona tsy ho tononina anarana eto no mitantara ao, sa nahazo lesona tamin'ny filazan'ny (...)
  • Tafasaraka tsy fidiny

    lundi 13 août 2007 | Penjy R. |  152 visites
    Rahampitso ny andro farany ahafahan'ny kandida rehetra mametraka ny antota-taratasy filatsahan-kofidiana ho depiote, ka raha dila io dia mikatona tanteraka ny varavarana ho an'ireo taraiky. Raha ny fantatra dia ao anatin'ny ora farany tahaka izao no tena hiazakazahan'ireo kandida mametraka ny « dossier » any eny amin'ny CAVEC mba ho isan'ireo ho mpifaninana eny Tsimbazaza. Antoko maro no mivonona amin'io, izan'izany ny Leader Fanilo, Arema, TIM, CRTIM, AVI, ny mpanohitra maro izay handeha (...)
  • Medaly ao anatin’ny alahelo

    samedi 11 août 2007 | Naivo kely |  129 visites
    Mitohy ny fandrombahana medaly amin’ny Lalaon’ny nosy ataon’ny Malagasy omaly nandritra ny andro voalohany, kanefa tsy hijanona eo ny tanjona fa tsy maintsy miandrandra maro mba ho voalohany fa tsy ho farany eo amin’ity sehatra ity. Ezaka lehibe no vitan’ny tanora malagasy manome lanja ny vononahim-pirenena, ary tsy mena-mitaha amin’ny hafa ny zava-bita. Andro faharoa nanombohan’ny fifaninanana anio, mbola heno ihany ny sahoan-dresaka maro momba ny olana eo amin’ny lafiny ara-teknika ny trano (...)
  • Voafafy ny voa

    vendredi 10 août 2007 | Naivo kely |  214 visites
    Nisokatra omaly tamin'ny fomba ofisialy ny lalaon'ny nosy andiany faha-7 izay atao eto amintsika ka ny 19 Aogositra izao vao hifarana ity lalao ity. Samy nanana ny fomba fijeriny ny fanomanana ny lalao ny rehetra indrindra fa teo amin'ireo fotodrafitr'asa isan-karazany izay handraisana ireo atleta sy ny lalao. Mendrika aloha hatreto ny fandraisana ny lalao, satria maro ny olona no afa-po tamin'ireo hitan'ny masony, saingy tsy vitsy ihany koa ireo fanakianana rehefa tena miditra lalina (...)

0 | ... | 320 | 340 | 360 | 380 | 400 | 420 | 440 | 460 | 480 | ... | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS