Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 22h17
 

Teny zato, kabary arivo

Nipoitra ny nafenina

mercredi 29 août 2007 |  230 visites  | Naivo kely

Hentitra ny CRTIM niantso ny vahoaka ho mailo amin’ireo karazana hala-bato mateti-pitranga amin’ny fifidinanana eto Madagasikara, toy ny fanomezana ordonansy ny mpifidy, ny fanovana ihany koa ny isam-bato, toy ny vato maty sy fotsy lasan’ny kandida mahazo vato betsaka, ka mampifamadika ny tokony ho azon’ny resy sy ny mpandresy . Ny fahitana fa maty ihany koa ny jiro ao anaty fifidianana, ka mampitsingatotra ny fanisam-bato ao amin’ny birao fandatsaham-bato iray, ary ny tena zava-doza ny toerana lavitra andriana, ka ahitana ny fitanterana ny vokatra entina lakana, ka hambara fa nivadika ny lakana ary very tany anaty rano avokoa ny vokatra rehetra rehefa tsy kandidam-panjakana no mitarika amin’ny isam-bato.

Dia lasa saina ny maro raha nandre ny fitanisan’ireo mpitarika ao amin’ny CRTIM, izay iza no tsy mahafantatra fa TIM nivadika ihany, kanefa mitanisa ireo heverina fa fomba fangalaram-bato ataon’ny olona isaky ny fifidianana.

Mazava ho azy fa tsy manana fahefana hangala-bato tahaka izany ny olona tsy ao anaty fitondrana izay tsy manana fahefana kely akory hanampatra ny hery rehetra eo ampelatanana. Tsy midika io fa mpangala-bato izay mitondra rehetra, saingy mahalasa saina ihany raha izao ireto CRTIM ireto vao miteny izany, satria ny mpanohitra rehetra anie ka efa ela no nahatsikaritra izany e ?

Sa misy olona zatra nanao ny toy izany ka ankehitriny mailo amin’ny vita tany aloha, ka hifotra amin’ny tena ny ny vita rehetra ? Ahiahy tsy hiavanana io, fa ny ady toerana toy izao, na latsa-bato na ihany koa fifanonganana, dia ahiana hipoiran’ny nafenina hatramin’izay. Ny resaka ampamoaka eo amin’ny samy mpiray donak’afo no hanampongatra ny aty vilanin’izy mianakavy ka dia samia mitsara ry vahoaka fa hiseho masoandro amin’izay ny ratsy vitan’ny sasany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS