Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 21h34
 

Teny zato, kabary arivo

Afa-po Ravalo

jeudi 16 août 2007 |  178 visites  | Naivo kely

Mendrim-piderana ny asa vita amin’ny fandraisana ny lalaon’ny nosy, ary toy izany ny fisaorana amin’ny fahendren’ny vahoaka Malagasy mahay manaja tena amin’ny lalao tahaka izao. Maniry ny filoha ny hitohizan’ny fahendren’ny Malagasy amin’ny tarehin-javatra tahaka izao ka hipetraka tokoa ny firaisan-kina eo amin’ny samy mpiray tanindrazana.

Niainga ho any Zambie androany maraina ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana, ka nametrahany hafatra ho an’ireo minisitra sendra azy mba ahatomombona ity lalao ity ho voninahim-pirenena. Toy ny tsy nahita olana tamin’ny tsikera maro ny filoha hatreto, na ihany koa tsikera natao hanatsarana zavatra ny no nisy. Afa-po Ravalo hatreto.

Ny tale jeneralin’ny COJI, Hery Eric Rakotoarisoa dia hentitra omaly nilaza fa aoka ny vahoaka mba ahay hifandefitra amin’ny lalao tahaka izao. Ny trano fandraisam-bahiny kely nefa ny olona mirohotra be, ary ny tapakila sandoka ihany koa tsy ferana. Tsy mora ny manao zavatra kanefa hentitra ny fandraisana andraikitra, ka ampy izay ny tsikera, fa tsy maintsy mendrim-boninahitra ny firenena Malagasy amin’ity lalaon’ny nosy ity.

Misy ny vola ary tsy maintsy voahefa ny tambi-karaman’ireny nifanaraka tamin’i COJI, saingy ireo mbola mihevitra ny mbola hanao ny hosoka dia tsy maintsy maintsy handray ny saziny. Mamararam-parana ny lalaon’ny nosy isika izao, izay heverina fa nisy ny lesoka tsy azo hiodivirana, kanefa toa vao maika naha-tamana ireo vahiny mpihavy, sao dia izay ary no nideran-dRavalo ny mpikarakara rehetra ? Sa fantany ihany ny marina fa inihany tsy ho lazainafa sao hiteraka korontana ho an’ny mpiray tanindrazana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS