Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 20h42
 

Teny zato, kabary arivo

Sefo, sao hamoritra ?

vendredi 31 août 2007 |  146 visites  | Naivo kely

Vita omaly ny dingan’ny fampiofanana ireo sefom-pokontany andiany faha-efatra natao teny amin’ny lapa-panjakana Iavoloha, ka toy ny mahazatra ny hafatrafatra goavana ataon’ny filoham-pirenena.

« Tsy tokony hataotra ianareo, ary mila mandray andraikitra », ampian’ireo teny mamy fanomezana vahana amin’ny fahefana ireto sefom-pokontany ireto. Tsara io satria iza tokoa no tsy maniry ny fampandrosoana hiainga ifotony, dia ny fokonolona no masi-mandidy eo amin’ny faritra misy azy ? Ny mampanahy ny maro dia ity, toa tsy misy fahefana afaka mibaiko ny sefom-pokontany, raha tsy ny filohan’ny repoblika, izay toa milaza fa afaka mampita ny olana mivantana any an-tampony ireto farany. Azavao mazava tsara ny ambaratongam-pahefana, ho fantatry ny olona, ny hoe iza marina no tompom-pahefana satria toa mangina tanteraka amin’ny asa sahaniny ny ben’ny tanana ? Iza no tsy mahalala fa izay notolorana fahefana anie ka namoritra daholo e, ka sao mba hanao toy izany ry zalahy sefom-pokontany notendrena fa tsy nankafizim-bahoaka teo amin’ny latsa-bato ireto ? Enga anie ka tsy sefo hamoritra fa hahay handrindra ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka no hita, ka izay vao azo antoka ilay fahefana hiainga ifotony, fa tsy hidina avy any ambony.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS