Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 22h11
 

Teny zato, kabary arivo

Ndeha atao « bilagy »

mardi 14 août 2007 |  1303 visites  | Naivo kely

Resaka lalaon’ny nosy no malaza, ka maro no azo atao hatsikana momba azy eo am-pihainoana sy am-pijerena ny lalao. Ny vokatra azo dia azo ho tanisaina izay hita fa tsy mety, dia andeha atao ny mihaino « bilagy » mahamenatra e !

Atomboka any amin’ny fitantarana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny sehatra. Fa dia inona loatra no mitranga no hamaivanina toy ireny ny mpifaninana amintsika rehefa olona tsy ho tononina anarana eto no mitantara ao, sa nahazo lesona tamin’ny filazan’ny filoha fa bitika ry zalahy mpifaninana amintsika ireto ? Firenena maro no manaraka ity lalao ity, ka mba miangavy ny ao amin’ny haino aman-jery namana mitantara ny lalao tahaka izao mba hanova ny fomba fiteny sao hanimba ny fifandraisana amin’ny firenena manodidina antsika indrindra fa ilay toe-tsaina malagasy izay napetrakiny ny olona ho filamatra.

Ny bisikileta izay nanafarana fitaovana manokana toy ny « carbone » ry « Ravotabia », saingy ny laharana faha-enina no nisy antsika. Sao tsy ampy tongolo hoy ny mpitazana ka na dia fitaovana raitra aza no natolotra azy ireo dia ny vokatra azo no iny nitsara iny.

Ny Barea moa dia efa lalao maro no tsy nahitana atody vaky teo amin’ny lalao iraisam-pirenena, dia mandeha ny feo hoe vanim-potoanan’ny famonosan-damba izao, sao dia mila fonosina i Ntsoa mpanazatra ity ekipam-pirenena ity teo aloha nefa lasa nody mandry, ka izay no mety ahazoan-tsika fandresena ? Iza no tsy nahita fa natao daholo ny joro isan-karazany toy ny fandatsahan-dra teny amin’ny vato masina teo Mahamasina ? Naka tso-drano tetsy sy teroa, ary natsoina avokoa izay heverina fa « expert » vahiny rehetra izao, saingy « zero tsy mahavaky atody » ilay Barea. Tsy hilaza intsony isika hoe ny anarana indray hovana, fa omby masiaka io, ka azo antoka fa handresy ny omby vavy be ronono. Ndeha atao « bilagy » e !

Farany dia eo amin’ny fandraisana ny sary mivantana. Mahita ny rehetra fa ilaina ny maka olona maty hanina amin’ny raharaha tahaka izao. Sehatra vitsy anefa no nahazo ny tolo-barotra. Iza no tsy mahita fa rehefa ny fanadihadiana ataon’ny vahiny no mandeha amin’ny haino aman-jerim-panjakana eto isan-kariva dia hita fa tsara ny sary sy ny feo. Mby aiza amin’io ny antsika eto an-toerana ? Tsy sanatria manamaivana ny asantsika fa raiso amin’ny fo tsy miangatra. Lalao goavana tahaka izao ve dia mbola ahita lesoka maro. Tele tsy miankina maro no eto ary hita fa manana ny fahaiza-manaony, nahoana no tsy nomena sehatra izy ireo hiara-miasa amin’ny lalao toy ity ? Dia hoy izahay hoe andeha atao « bilagy ihany », saingy « bilagy » niomehezan’ny firenena manodidina ka firenena be hambo toan’i Madagasikara no indro fa manaotao-foana eo amin’ny lafiny maro.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS