Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 21h34
 

Teny zato, kabary arivo

Voafafy ny voa

vendredi 10 août 2007 |  214 visites  | Naivo kely

Nisokatra omaly tamin’ny fomba ofisialy ny lalaon’ny nosy andiany faha-7 izay atao eto amintsika ka ny 19 Aogositra izao vao hifarana ity lalao ity. Samy nanana ny fomba fijeriny ny fanomanana ny lalao ny rehetra indrindra fa teo amin’ireo fotodrafitr’asa isan-karazany izay handraisana ireo atleta sy ny lalao. Mendrika aloha hatreto ny fandraisana ny lalao, satria maro ny olona no afa-po tamin’ireo hitan’ny masony, saingy tsy vitsy ihany koa ireo fanakianana rehefa tena miditra lalina ifotony ny tsirairay, raha mahita ny olona isan-karazany. Apetraka eo iny, fa ndeha ny lalao no asian-dresaka. Voafafy omaly izany ny voa ka miandry ny vokatra hivoaka eo isika rehetra izay ny atleta malagasy rehetra no andrasana amin’io vokatra tsara io. Nomena ny fitaovana heverina fa ahafahana mamokatra sy hiotazana voakatra tsara ho azy ireo, ary samy nanambara ny rehetra fa tamin’ity indray mitoraka ity, vao nahazo fikarakarana betsaka ny mpanao fanatanjahan-tena malagasy. Kely sy bitika ireo nosy ireo hoy ny filoha ary zara raha misy 4 tapitrisa, koa nahoana no tsy handresentsika malagasy 18 tapitrisa azy ireo ? Ho hita eo izany fa dia samy ankahery ny mpilalaontsika mba hahazo fahombiazana amin’ny taranja tandrify azy avy ireto tanorantsika ireto, ka ny voninahim-pirenena no hiakatra avo amin’izany fandresena izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS